Hatao ny sabotsy 16 desambra sy ny alahady 17 desambra izao, any Antsirabe, ao amin’ny O’Carrefour, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara Blitza & Rapide, lalaon-tsaina Echec. Anio 14 desambra kosa no fara-fisoratana anarana amin’ity fifaninanana nasionaly, taona 2023, ity. Voatendrin’ny federasiona iraisam-pirenen’ny Volley-ball, ho “FIVB Instructor”, Razafinjatovo Jean Honoré, […]
Other News
Kristina sy Donovan: hanofana ny vehivavy mpilalao basikety
Nofinofy efa ela ho an-dRakotobe Kristina ny hanampy ny ankizy sy tanora hisehatra eo amin’ny tontolon’ny basikety. Nisy fotoana izy nandalo teto Madagasikara ary nijery izay fomba hanatanterahiny izany nofinofiny izany. Ankehitriny, tapaka ny heviny fa hanome fiofanana ny mpilalao basikety, ho an’ny sokajy vehivavy eto Madagasikara. “Girls Unity Basketball” […]
Tompondakan’i Frantsa “Regional 1”: nanao ny lalao voalohany i Koloina
Niditra teo amin’ny lalao voalohany niarahany amin’ny klioba vaovao hilalaovany, Razafindranaivo Koloina (Rakool), ny faran’ny herinandro teo. Fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa, amin’ny “Regional 1”. Taorian’ny fahatongavany tany Frantsa, ny faramparan’ny volana novambra lasa teo, nisantatra ny fiakarany kianja niaraka amin’ny ekipan’ny Arles Football Club, ekipa vaovao hilalaovany, Razafindranaivo Koloina […]
FIOFANANA HAINAHANDRO : mampivoatra ny tanora
Hotanterahina ny sabotsy 16 desambra 2023 izao, etsy amin’ny Radisson Ambodivona, ny andiany voalohany mahakasika ny « Salon de l’orientation en hôtellerie, restauration, art culinaire ». Hetsika karakarain’ny eo anivon’ny Edustep. Natao hanampiana ny tanora sy ny mpianatra liana amin’ny fanarahana ny lalam-piofanana mahakasika izany. « Tanjona ny hampahafantarana sy hitaritana ary hisarihana […]
Sinoa very vola 170 tapitrisa Ar : Roa lahy voaheloka mandra-pahafaty ao Toamasina
Voaheloka mandra-pahafatiny sy namoahana didy fampisamborana Randriambelonony sy Tangamanana Berthin. Io ny didy navoakan’ny fitsarana ao Toamasina, omaly. Hentitra ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly, nandritra ny fotoam-pitsarana andiany faharoa, hamaranana ny taom-pitsarana taona 2023. Niaka-tsehatra teo anatrehan’ny fitsarana ny antontan-taratasin’ady laharana faha-50-Toa/22-944-RP/21, izay hanenjehan’ny fitsarana […]






