« Diary Nofy ». Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Librairie St Paul Analakely, ny atrikasa angano, andiany fahasivin’ny tetikasa «Diary Nofy». Niavaka kely ny tamin’ity andiany ity noho ny fisian’ny fampisehoana teatra niarahana tamin’ny Zara aina. “Blanche Neige 2.0”. Notanterahina omaly, teny amin’ny Aft Andavamamba, ny fampisehoana angano […]
Other News
Andrianarivelo- Razafy Andriamaniraka : notolorana « Grand-Croix de 2e classe »
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny «Le Marais» Ankorondrano, ny lanonana fanolorana ny mari-boninahi-pirenena «Grand- Croix de 2e classe», an’ Andrianarivelo-Razafy Andriamaniraka. Nitarika ny lanonana, Rakotonarivo Donatella, mpikambana eo anivon’ny Conseil de l’ordre national malagasy. Notolorana mari-boninahitra koa ny vadiny, Andrianarivelo-Razafy Noëline sy ny zanany, Andrianarivelo-Razafy Marcellin. Anisan’ny nahafantarana […]
Nandrasana tetsy Analakely : halevina anio i Delacre Black Jack’s
Faran’ny herinandro tao anaty raho-mainty indray iny, ho an’ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry ny alin’ny zoma lasa teo mantsy Randriamirana Jean de La Croix, na i Delacre, fantatry ny maro amin’ny maha lehiben’ny tarika Black Jack’s azy. Rehefa avy nandrasana tao an-tranony, teny Ambaniala Itaosy, nentina tetsy amin’ny Tranompokonolona Analakely kosa […]
Harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona : tontosa omaly ny lanonam-panjakana ho an’ny hiragasy
Niavaka noho ny mahazatra ny lanonana tetsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy, omaly. Hafaliana no hita soritra teny amin’ny tsirairay, noho ny nahatafidirana ny hiragasy ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona. Fanambarana manetriketrika. Ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny jeneraly Ravalomanana Richard, mihitsy no tonga namaky ny fanambarana ofisialy, fa tafiditra ho anisan’ny harem-bakoka […]
FANTINA sy FINTINA
Efa mivonona ny hanolotra anarana praiminisitra ho lehiben’ny governemanta ny parlemantera IRD. Nambaran’ny filohan’izy ireo, ny depiote Velontsara Paul Bert, fa mbola hisy ny dinika hataon’ ny maro anisa momba izany. Tahaka izany koa ny hanolorana minisitra. Mbola hitohy anio, raha tsy misy ny fiovana, ny fanadihadian’ny zandary, sampana misahana […]






