Other News

Ampahibe: nifampizara fifaliana tamin’ny ankizy ny MDN

Vavaka no nanombohana ny fotoana, narahin’ny fampisehoana nataon’ireo ankizy sy ny fandraisan’anjaran’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, teny Ampahibe. Lanonana notarihin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Nisy ny fifampizaran’ny MDN hafaliana tamin’ireo ankizy sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra ka nanolorany teny firariantsoa ho an’ny Noely sy […]

Governemanta vaovao Mety hitranga ny tsy ampoizina 

Hanao ahoana ny governemanta vaovao? Voalazan’ny And. 54 amin’ny Lalàmpanorenana fa ny filohan’ny Repoblika no manendry ny Praiminisitra araka ny tolotry ny antoko na vondrona antoko maro an’isa ao amin’ny Antenimierampirenena. Azo heverina izay fanoloran’ny depiote maro an’isa anarana hanendren’ny filohan’ny Repoblika izay ho Praiminisitra. Miova ny fenitra sy ny […]

Indray mijery

Nandray fepetra manokana ny ATT nandritra ny faran’ny herinandron’ny fety, ahafahana mamaha ny olana sy mampandeha ny raharaha. Mbola hisokatra ny ATT Soarano ny sabotsy 30 desambra ho an’ireo izay hitondra taksiborosy na taxi-be ivelan’ny lalana mahazatra ka haka ny fahazoan-dalana manokana amin’izany. Amin’izao ankatoky ny fety izao, manafatrafatra ny […]

Vaovao tambatra

Manodidina ny 10,5% ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny hatramin’ny volana aogositra 2023, araka ny fanadihadian’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Anisan’ny anton’ny fitotongan’ny sandam-bola Ariary. Tokony ho 9,5% ny vinavinany ny tany am-boalohany. Ho an’ny Ivontoeran’ny antontanisam-pirenana Instat, anefa, 8,5% ny tarehimarika navoakany. Tsy mbola nivoaka ny antontanisa farany ho an’ny taona 2023. […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo: mitohy ny fanohanana mivantana ny tantsaha

Anisan’ny hifantohan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ny fanajariana ny lemaka sy ny fizarana kojakojam-pamokarana. Eo koa ny fizarana titra tany maitso (titre vert) ho an’ny tanora, sy fanomezana tohana amin’ny fiompiana.  Tanjona napetraky ny fanjakana, tanterahin’ny minisiteran’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Fomba hanatrarana izany […]