Hanao ahoana ny governemanta vaovao? Voalazan’ny And. 54 amin’ny Lalàmpanorenana fa ny filohan’ny Repoblika no manendry ny Praiminisitra araka ny tolotry ny antoko na vondrona antoko maro an’isa ao amin’ny Antenimierampirenena.
Azo heverina izay fanoloran’ny depiote maro an’isa anarana hanendren’ny filohan’ny Repoblika izay ho Praiminisitra. Miova ny fenitra sy ny fomba fiasa amin’izao fe-potoam-piasana faharoa izao, izay hifantoka kokoa amin’ny maha olona sy ny sosialim-bahoaka. Eo koa ny fampiroboroboana ny indostria sy ny famoronana asa, ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny asam-panjakana. Dingana vaovao izany, fomba fiasa vaovao, olona vaovao.
Nitoetra hatramin’ny fametraham-pialan’ny governemanta ny disadisan’ny depiote sy ny governemanta? Hatramin’ny nisian’ny fanangonan-tsonia hanaovana latsa-bato fitsipaham-pitokisana ny governemanta izany, nitohy tamin’ny tsy nety naharaikitra ny fifanatrehan’ny roa tonta. Mety mbola ho voatana amin’ny toerany ve ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta amin’izany?
Mety ho aorian’ny taom-baovao
Misy mahita fa ny fanoloana azy izao mahaela amin’ny fananganana governemanta vaovao izao. Aorian’ny taom-baovao? Ny hafa mihevitra fa mbola mety ho voatana eo amin’ny toerany izy noho ny zava-bitany sy traikefany hatramin’ny jona 2018 no ho mankaty, indrindra talohan’ny fifidianana farany teo. Ilaina ny olona toa azy? Na mety hitranga ny tsy ampoizina amin’izay ho Praiminisitra sy ny firafitry ny governemanta vaovao eo… Ho an’ny vahoaka, ny asa vita ho amin’ny fihatsaram-piainana no andrandraina.
R. Nd.




