Other News

Fankatoavana ny voka-pifidianana : niarahaba ny filoha Rajoelina ny iraisam-pirenena

Namoaka fanambarana ireo avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ahitana ny avy amin’ny Vondrona eoropeanina (UE), ny solontenan’ny Frankofonia (OIF), ny masoivohon’i Alemaina, Ko­rea, Etazonia, Frantsa, Japon, Royaume-Uni ary i Soisa. Nankato ny voka-pifidianana navoakan’ny HCC avokoa izy ireo. Na izany aza anefa, niantso ny filohan’ny Repob­lika, Rajoelina Andry, izy ireo hitondra […]

Tsy ho kobaka am-bava

  Lany tamin’ny fihodinana voalahany izany ny filohan’ny Repoblika hitondra an’i Madagasikara anatin’ny dimy taona hoavy. Vita mifanaraka amin’izay ihany koa ny andraso andraso. Miandry asa sy vokatra ny vahoaka malagasy tsivakivolo. Miditra amin’ny fotoanan’ny asa avokoa ny olom-pirenena tsirairay. Indrindra ny filoha Andry Rajoelina. Miandrandra ilay fampandrosoana nilokalokana ny […]

Rajoelina Andry : voafidy ho filohan’ny Repoblika indray

Voafidy fanindroany ho filohan’ny Repoblika indray ny kandida Andry Rajoelina. Nahazo vato 58,96% tamin’ny fihodinana voalahany izy. Fianianana sisa andrasana. Efa nampoizina. 58,96% ny salanisan’ny vato azon’ny kandidà lah.3 “Ambara fa voafidy ho filo­han’ny Repoblikan’i Mada­gasikara tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany Ra­joelina Andry”, hoy ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana […]

TSELATRA

Hiakatra fitsarana ny 16 janoary 2024 izao ireo kolonelin’ny Tafika roa lahy voarohirohy tamin’ny raharaha fanakorontanana, araka ny nambaran’ny Tonian’ny mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antanananarivo, omaly. Tazomina am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana, araka izany, izy roa ireo. Intelo voatafiky ny dahalo ny fokontany Amba­tofotsy, kaominina Bemahatazana, Bongolava, […]

Lozam-pifamoivoizana : vaosambotra ilay mpitondra posy namoa-doza

Voasambotry ny polisim-pirenena nanao ny fanadihadiana ilay mpitari-posy namoa-doza tao amin’ny Boulevard Ralaimongo, 500 metatra tsy hidirana ny vavahady lehiben’ny seranantsambon’ i Toama­sina, ny alakamisy 30 novambra  teo, tamin’ny 6 ora sy 45 minitra. Namoy ny ainy vokatry ny tsy fitandreman’io mpamily posy io ny raim-pianakaviana iray 68 taona. Nahitana […]