Nanakoako tany Italie indray, ny faran’ny herinandro teo, ny lazan’ny tenisy ambony latabatra malagasy. Nandrombaka ny medaly alimo teo amin’ny fihaonana ho an’ny olon-droa miaraka lehilahy mantsy i Fabio sy i Antoine. Tsy mitsahatra ny mitondra avo ny lazan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny taranja tenisy ambony latabatra. Nandrombaka […]
Other News
Akany Fitiavana : nisitraka vary 2 gony avy amin’ny kaominina Antananarivo
Nisitraka vary 2 gony ireo olona manana fahasembanana ao amin’ny Akany Fitiavana, etsy Faliarivo Ambanidia, ao amin’ny boriborintany faharoa, omaly. Nanolotra izany ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Mitaiza olona sembana sy zaza kamboty ny akany. Lehilahy 12 sy vehivavy 10, anelanelan’ny 14 hatramin’ny 54 taona izy ireo. “Fanomezana avy […]
INDRAY MIJERY
Mbola maro ny olona tsy salama manatona toeram-pitsaboana amin’izao fotoana izao voan’ny gripa, kohoka sy itrangan’ny aretin’ny taovam-pisefoana (IRA). Ratsy koa ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo ka mampirongatra ny aretina. Ny fako rahateo mivangongo isaky ny toby ka miteraka fofona sy lalitra be mitondra otrikaretina. Misy ireo sekoly tsy miankina […]
Herimanjaka Tsilavo: “Omena ny fizakan-tenany ny faritra…”
Nitondra vahaolana manoloana ny raharaham-pirenena i Herimanjaka Tsilavo. Nambarany fa mila mifampidinika ny hery velona rehetra ary hovaina ny Lalàmpanorenana. “Tokony hiditra amin’ny Repoblika fahadimy isika… Omena fizakan-tena ny faritra sy ny faritany fa tsy mety amintsika intsony izao fitantanana ny firenena, efa am-polo taona izao”, hoy izy, tetsy Faravohitra, […]
Atsimo Atsinanana, Fitovinany, Vatovavy: nahazo moto sy ordinatera ny rantsan’ny Ceni
Nidina ifotony tany Atsimo Atsinanana sy Fitovinany ary ny any Vatovavy ny delegasion’ny Ceni, notarihin’ny filohany, Andrianarisedo Dama, tamin’ity herinandro ity. Notolorana fitaovana ireo rantsan’ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity any an-toerana. Anisan’izany ireo moto sy ny ordinatera. Fotoana koa io nankasitrahana ireo rehetra nanomana sy nampizotra ny fifidianana teny […]







