Nidina ifotony tany Atsimo Atsinanana sy Fitovinany ary ny any Vatovavy ny delegasion’ny Ceni, notarihin’ny filohany, Andrianarisedo Dama, tamin’ity herinandro ity. Notolorana fitaovana ireo rantsan’ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity any an-toerana. Anisan’izany ireo moto sy ny ordinatera. Fotoana koa io nankasitrahana ireo rehetra nanomana sy nampizotra ny fifidianana teny ifotony ireo. Nisaorana koa ireo olom-pirenena, nandray anjara tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ka nahazoana ny taham-pahavitrihana 51,57% ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana. Maherin’ny 53% kosa ny an’ny faritra Fitovinany ary 60,14 ny any amin’ny faritra Vatovavy.
Mpifidy vaovao nisoratra anarana
Nentanina sy nomena toromarika mifandraika amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy koa ireo tomponandraikitry ny Ceni eny ifotony. Narahin’ny dinikasa nanasana ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana izany. Teo koa ny fitsidihana ireo eny anivon’ny fokontany ka nitafana sy nifampizarana tamin’ireo komity ifotony mpanisa mpifidy (CLRE).
Tsiahivina fa efa ao anatin’ny fampidirana ireo mpifidy vaovao nisoratra anarana avokoa ny any amin’ireo faritra telo ireo, amin’izao fotoana izao. Hiatrehana ny taom-pifidianana 2023-2024, indrindra fa ny fifidianana depiote sy ny ben’ny Tanàna.
Synèse R.




