Other News

«Carte Blanche» : mpahay kanto valo manatontosa ny hetsika

Tanterahina eny Ankatso, hatramin’ny 24 novambra 2023, ny fampirantiana «Carte Blanche». Hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fahafolo taonan’ny ADMC-CRAAM, eny amin’ny Oni­versite Ankatso. Sary pika sy hosodoko ary haikanto plastika no mandravaka izany fampirantiana izany. Malagasy mpahay kanto miisa 8 no miara-misalahy manatontosa ity hetsika ity. Raha tsiahivina, tanjona […]

Madagascar Orchestra : hovelomina ny «Les quatre saisons»

Anisan’ny sarotra ny mamerina sy mampiaina indray ny sanganasan’i Antonio Vivaldi raha eo amin’ny tontolon’ny mozika klasika. Iray amin’ireny ny «Les quatre saisons» izay nampitolagaga olona maro ny hatsarany, nanomboka tany amin’ny taona 1723. Hoporofoin’ny Madagascar Orchestra, ny 29 novambra izao, manomboka amin’ny 1 ora, etsy amin’ny IFM Analakely fa […]

Tontolon’ny literatiora: hihaona ireo mpanoratra fandaharam-pianarana

Fotoan-dehibe ny anio, ho an’ny tontolon’ny literatiora. Hihaona ary hizara ny traikefany ireo mpanoratra anaty fandaharam-pianarana, izay mbola velona amin’izao fotoana. Hetsika amina toerana telo samihafa izany. Tontolo andro ho an’ny literatiora. Toerana sy fotoana telo no azo isafidianana: amin’ny 8 ora maraina, ao amin’ny Amphi Lycée Rabearivelo Analakely. Amin’ […]

Kolikoly ara-nofo : manjaka amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny asa

Ny tontolon’ny fanabeazana sy ny sehatry ny asa no tena anjakan’ io tranga io eto Madagasakira, raha ny fanadihadiana nataon’ny sehatra maro sami­hafa. Maro amin’ ireo olona iharan’ io tranga io no tsy mahafantatra fa kolikoly ara-nofo izany. Manjaka betsaka any amin’ireo sekoly sy oniversite eto Mada­ga­sikara ny kolikoly ara-nofo, […]

FANTINA sy FINTINA

Hiova endrika ny tolona, araka ny nambaran’ ny vondron’ny kandidà 10. Nihaona amin’ireo fiarahamonim-pirenena sy ny antoko ary fikambanana politika izy ireo, omaly, teny Andraharo. Nohamafisin-dRa­va­lo­manana izany fa havadika ho tolom-bahoaka izany. Harahi-maso ara-pitsarana ny depiote Ralambozafimbololona Fetra, taorian’ny niakarany fampanoavana, tetsy Anosy, omaly. Hatao ny 12 desambra kosa ny […]