“Misy miteny hoe aleo hanangana governemanta vaovao hikarakara fifidianana: faran’izay diso izany. Tsy manana fahefana amin’ny fikarakarana fifidianana ny governemanta”, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, Ramaholimasy Pierre Holder, manoloana ny fitakiana governemanta iraisana hikarakara fifidianana. Asa vonjimaika amin’ny fampandehanan-draharaha andavanandro ny asan’ny governemanta ifarimbonana. Tsy […]
Other News
Ady fiady sady fitady
Rehefa idrikinana sy toherina fotsiny izao ny raharaha na zavatra iray na hita fa marina izao aza dia diso, tsy azo ekena, manimba. Izany ny misy sy iainana amin’izao fiatrehana fifidianana izao? Lotoina ankitsirano izay madio; avy eo, ny tena ihany no mitady fanadiovana. Korontanina tsotra izao ny lamina […]
Kandidà Andry Rajoelina: « Mamoafady ny fivoizana ny adim-poko sy ny fanavakavahana »
Toliara, Sakaraha, Betroka, Ihosy, ireo ny toerana notsidihin’ny kandidà Andry Rajoelina, ny faran’ny herinandro. Nitodika amin’ireo mpanao politika sasany ny tenany tamin’izany. Nambarany fa fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy ny azy ary mampiray ny Malagasy. Mamoafady ny fivoizana ny adim-poko sy ny fanavakavahana. “Aoka halavirina ny fankahalana… Adidin’ny mpitondra ny mampitambatra […]
Zava-mahadomelina : mpitsindrona “rôrô” fito mianadahy voasambotra
Vehivavy roa sy lehilahy dimy saron’ny mpitandro filaminana nanaparitaka rongony mahery vaika “héroïne” tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Ny 20 oktobra lasa teo, naharay fitarainana ny zandarimaria Toamasina Ville, momba ny fisiana mpidoroka rongony. Niroso tamin’ny fikarohana avy hatrany ireto farany. Sarona tamin’izany ny lehilahy dimy sy vehivavy iray. […]
TSELATRA
Tapitra kila hotohoton’ny afo ny toeram-pisakafoana iray eny Bel’Air, ny faran’ny herinandro teo. May avokoa ny entana rehetra tao an-dakozia. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana fa ny tao amin’ny faritry ny lakozia no nisy afo nijoalajoala. Tonga teny an-toerana nanao ny asam-pamonjena ny avy ao amin’ny sampana […]






