Miandry ny “visa de long séjour” avy amin’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, Razafindranaivo Koloina (Rakool), amin’ny hifindrany any Frantsa. Hanampy azy amin’ny fahazoana izany ny minisiteran’ny Fanatanjahantena. Eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao, Razafindranaivo Koloina (Rakool), mpilalaon’ny CFFA teo aloha. Miandry ny fahavitan’ny «visa de long séjour»-ny izy, hahazoany miverina any Frantsa, […]
Other News
INDRAY MIJERY
Manohy ny asa fampandrosoana ny faritra Analamanga. Anisan’izany ny fanamboarana ny lalana rarivato eny Ambodirano Ampefiloha hahafahan’ny mponina mivezivezy ao anatin’izao fotoam-pahavaratra izao. Miainga eo amin’ny EPP mitsofoka any anaty tanàna ny fanamboarana. Hamafisina ihany koa ireo rarivato efa vita teo aloha mba hampateza azy. “Fampananan-tany ny vehivavy any ambanivohitra, […]
Hetsiky ny kandidà 11 : Rava tsy lera ny kabary sy ny famoriam-bahoaka
Noravan’ny mpitandro filaminana ny kabary sy ny famoriam-bahoaka nataon’ireo Kandidà 11, omaly, teny Ampitatafika. Toy ny mahazatra ihany ny fihetsik’ireo kandidà, nandositra nandeha namonjy ny toerana any Imeritsiatosika izy ireo ka navelany teo ny mpanara-dia azy. Ireo olona manaraka azy ireo kosa, nody namonjy ny tokantranony avy. Marihina fa tsy miova ny tanjona kasain’izy […]
Solontenan’ny ONU, i Issa Sanogo: “Ilaina ny fifidianana madio sy mangarahara”
Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny solontena maharitry ny Firenena mikambana (Pnud), eto amintsika, i Issa Sanogo. “Ilaina ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Tokony hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena izany”, hoy izy, tamin’ny fanamarihana ny Andron’ny ONU. Nanteriny fa ilaina ny fanajana ny lalàna velona amin’ny firenena iray hampirindra […]
Fikarakarana ny fifidianana: nahazo vola fanampiny indray ny Ceni
Mitohy ny fanohanana ho amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Anisan’ny notapahin’ny filankevitry ny minisitra afakomaly, teny Mahazoarivo, ny didim-panjakana amindrana ny sora-bola fanampiny ho an’ny Ceni. Mitentina 3 947 190 000 Ar avy amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ho an’ny tetibola 2023 izany ary natao indrindra hikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena. Nialoha izany, efa nahazo famatsiam-bola avy amin’ny […]






