Hiakatra kianja anio sabotsy 14 oktobra, ny ekipa malagasy “Antananarivo”, hiatrika ny fifaninanana basikety “FIBA 3X3 World Tour”, tanterahina any Shanghai. Ao amin’ny sokajy “Masters”, vondrona C no misy ny ekipantsika, hifandona voalohany amin’izy 4 mirahalahy, ny ekipan’ny Beijing Chine. Mbola ekipa avy ao Chine, Futian ihany, aorian’izay no hifanandrina […]
Other News
Fifidianan’ny FMF : ho fantatra anio izay ho filoha
Tonga ity ilay fotoana efa nandrasan’ny maro, hahafantarana ny anaran’izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) vaovao. Hotanterahina anio sabotsy 14 oktobra, eny amin’ny Novotel Ivandry, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tsy maintsy iray amin’ireo kandidà miisa dimy mpifaninana amin’ izany no hitantana ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Miahiahy amin’ny asa fivelomany indray ny mpivarotra etsy Analakely sy ny manodidina, manoloana ny toe-draharaha politika amin’izao fotoana. Voahelingelina ny fidiram-bolan’izy ireo. Tsy ampy hanodidina ny tsena ny vola miditra ho azy ireo noho izy voaelingelina amin’ny asa fivelomany. Mikatona manomboka rahampitso 15 okotobra ka hatramin’ny 15 desambra izao ny […]
Atsimondrano : azo ambolena vary indroa isan-taona ny lemak’i Fidasiana
Mitohy ny vinan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), manavao sy manarina ny fotodrafitrasa ara-pambolena. Nosantarin’ny minisitra Ramilison Harifidy, ny 12 oktobra teo, ny fanombohan’ny asa, hanarenana ny fanajariana ny lemak’i Fidasiana, ao amin’ny distrika Atsimondrano. Mitotaly 800 ha ny lemaka, ka azo atao ny mamboly vary indroa isan-taona. Izany hoe ahazoana voka-bary […]
Hafanana tafahoatra : mirongatra ny afo sy ny setroka
Nitondra fanazavana ny Dr. Salama Jean Claude, talen’ny Fitantanana ny loton’ny rivotra, ny fako, ary ny ambaindain’ny tontolo iainana (DPDIDE) ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), mikasika ny hafanana tafahoatra sy ny setroka eto amin’ny faritra Analamanga. Nambarany fa maromaro ny antony mahatonga izany, vokatry ny […]






