Other News

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao voaray omaly, tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja tenisy ambony latabatra, i Madagasikara. Nahazo ny laharana fahadimy isika nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, izay atao any Tunisie, ny 11 – 17 septambra. Lavontsika tamin’ny seta 3 no ho 2 i Cameroun. Mitombo hatrany […]

Rugby Mondial 2023: hidona i Nouvelle Zélande sy i Namibie

Hotanterahina anio, any Frantsa, ny andro faharoan’ny vondrona « A », amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “World Rugby Cup 2023”. Anisan’ireo lalao heverina ho toy ny famaranana kely ny fihaonan’ny All Blacks, Nouvelle Zélande sy i Namibie, solontenan’i Afrika. Tsiahivina fa ny ekipan’ny All Blacks, lavon’ny XV Bleus France, tamin’ny isa […]

Fifidianana filohan’ny FMF : miisa dimy ny kandidà hofidin’ireo ligy 22

Taorian’ireo kandidà telo, fantatra omaly avokoa ireo olona nirotsaka hofidina izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nifarana omaly tamin’ny 6 ora hariva, teny Iso­raka, ny fe-potoana nomena ireo olona hirotsaka ho kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Federasiona mala­gasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tseraseran’ny FMF, miisa dimy […]

Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra : miavaka ny otrikarena any Fitovignany

Nisokatra omaly ary hifarana rahampitso ny “Journée internationales des régions” na ny Jir, ho an’ny faritra Fitovignany. Tafiditra amin’ny andiany fahafito izany ary tanterahina ao Manakara. Ma­nana otrikarena maro toy ny fambolena, ny fiompiana tantely, ny fanodinana Loha­menaka “Huile essentielle”, ny harena an-kibon’ny tany ny any an-toerana. Mampiavaka iny faritra […]

Ceni : “Efa an-dalana ny karatry ny mpifidy”

“Raha ny tokony ho izy, efa an-dalana na efa eny amin’ny biraom-pokontany ny karatry ny mpifidy amin’izao”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Antony mety somary nahatratra aoriana izany amin’ny toerana sasany, nisy olana tamin’ny fanontana azy. Hasiana fitomboka koa ny karatra rehefa voatonta. Raha tratra aoriana […]