Naneho ny heviny momba ny adihevitra ny amin’ny tsy fananan’ny filoha Rajoelina Andry zom-pirenena Malagasy ny minisitry ny Fitsarana. “Tena mahazo mirotsa-kofidina izy. Efa betsaka ny fanazavana sy fandraisam-pitenenana momba an’izay. Tsy mbola nisy ny didim-panjakana manafoana ny fizakany zom-pirenena maha Malagasy azy.” Io indray no fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Mandeha ny famolavolana ny tetikasa Fly-over Anosizato. Ho raisin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny ampahany betsaka anjaran’ny fanjakana malagasy, ho setrin’ny fampiasam-bola avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Eo amin’ny sampanan-dalana RN 1 sy ny RN 58 A no hananganana io tetezana Fly-Over io. Hampindram-bola ny Jirama ny minisiteran’ny Toekarena […]
Karazan-javamananaina : mirindra ny fampivadiana azy amin’ny fambolena
Tsara ny tombana tamin’ ny fampidirana ny karazan-javamananaina eo amin’ny sehatry ny fambolena eto Madagasikara. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ary ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Nisy ny atrikasa nahafahan’ireo mpiantsehatra fototra […]
Fihariana ronono : mbola ambany ny famokarana
100 tapitrisa litatra isan-taona ny vokatra ronono eto Madagasikara. Vinavinaina hampiakarina ho 145 l noho ny filàna. Mbola ambany ihany koa ny ronono azo amin’ny ankamaroan’ny ombivavy satria mbola 8 l isan’andro izany raha tokony ho 15 ka hatramin’ny 20 l. Ho fanohanana sy fampiakarana ny lentan’ny famokarana, nisy ny […]
Andiany faha-9, Imatep: taranja hianaran’ny mpamory vola ny ady amin’ny kolikoly
Anisan’ny mampiavaka ny andiany fahasivy ho mpamory vola zokiny nivoaka teny amin’ny Imatep, ny nisantarana ny taranja hiadiana amin’ny kolikoly. Ambony be koa ny haavon’ny fari-pahalalan’izy ireo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly 25 aogositra, ireo 26 mianadahy, mpamory vola zokiny, andiany faha-9. Niofana nandritra ny herintaona tao amin’ ny Ivontoerana […]






