Other News

Vory lanona ny vahoaka: nahasondrina ny seho sy ny ravaka antsehatra

Tontosa tao anaty hafaliana sy haravoana ny lanonana fanokafana ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11, omaly, teny amin’ny kianja Barea Maham­a­sina. Seho ara-javakanto isan-karazany no nentina nanokafana izany lanonana izany. Anisan’izany ny fihetsika mi­rindra sy ny seho an-tsehatra, izay samy nanehoana ny maha izy an’i Madagasikara. Tena nampitolagaga ny maro, […]

Rugby lalaovina olona 7: fantatra ireo mpilalao mandrafitra ny Makis

Ny alakamisy lasa teo, tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ny vaovao tao amin’ ny tambajotran-tseraseran’ny Malagasy rugby, vao namoaka ny anaran’ireo mpilalao mandrafitra ny Makis de Madagas­car, ireo mpanazatra sy ny ekipa teknika. 12 lahy sy 12 vavy ireo hiaro ny voninahi-pirenena ary hiady ny handrombaka medaly volamena. Saika mpilalao efa zatra […]

Basikety: hidona amin’ny Ankoay i Maurice

Anisan’ny taranja hiaka-tsehatra, anio, ny basikety lalao­vin’olona 5, izay hatao etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahan­tena Mahamasina. Fantatra taorian’ny fivoriana ara-teknika fa ny ekipan’i Maurice no hifanandrina voalohany amin’i Madagasikara, eo amin’ny sokajy vehivavy, raha toa ka ry zareo Renioney kosa no hidona voalohany amin’ny Ankoay lehilahy. Tsiahivina, ao amin’ny vondrona A, […]

Fifaninanana : taranja 13 hiditra an-tsehatra anio sabotsy

Hangotraka manomboka anio ny fifaninanana eo amin’ity lalaon’ny Nosy andiany faha-11, ity. Tsy miandriandry fa avy hatrany dia hisy ny fiadiana ny medaly volamena eo amin’ireo taranja sasany. Miisa 13 ireo hiakatra kianja avy hatrany. Hifantoka amin’ny fifaninanana amin’izay, ma­nomboka amin’ity sabo­tsy 26 aogositra ity, ny lalaon’ ny Nosy. Taranjam-panatanjahantena […]

Sombim-baovao

El Hadary, Malagasy mpilalao Barea zandriny indrindra. Vao 16 taona monja ity lohalaharana malagasy ity, efa mametraka ny traikefany. Ny alakamisy lasa teo izy, nanome ny tsara indrindra avy aminy ho an’ny Barea. Hotanterahina anio eny amin’ny ACSA Ambohi­dahy ny andro voalohany amin’ny taranja Tenisy, ho an’ity lalaon’ny Nosy JIOI […]