Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, tanterahina eto amintsika ny filoha Andry Rajoelina, omaly, tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina. Niantso firaisankina ny tenany. «Tsy maintsy mandresy rehefa miray hina… Efa betsaka ny lalaon’ny Nosy fa tamin’ity indray mandeha ity no natrehin’ny filoham-pirenena miisa telo, tarihin’ny filohan’i Kaomoro sady […]
Other News
Vory lanona ny vahoaka: nahasondrina ny seho sy ny ravaka antsehatra
Tontosa tao anaty hafaliana sy haravoana ny lanonana fanokafana ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11, omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina. Seho ara-javakanto isan-karazany no nentina nanokafana izany lanonana izany. Anisan’izany ny fihetsika mirindra sy ny seho an-tsehatra, izay samy nanehoana ny maha izy an’i Madagasikara. Tena nampitolagaga ny maro, […]
Rugby lalaovina olona 7: fantatra ireo mpilalao mandrafitra ny Makis
Ny alakamisy lasa teo, tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ny vaovao tao amin’ ny tambajotran-tseraseran’ny Malagasy rugby, vao namoaka ny anaran’ireo mpilalao mandrafitra ny Makis de Madagascar, ireo mpanazatra sy ny ekipa teknika. 12 lahy sy 12 vavy ireo hiaro ny voninahi-pirenena ary hiady ny handrombaka medaly volamena. Saika mpilalao efa zatra […]
Basikety: hidona amin’ny Ankoay i Maurice
Anisan’ny taranja hiaka-tsehatra, anio, ny basikety lalaovin’olona 5, izay hatao etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Fantatra taorian’ny fivoriana ara-teknika fa ny ekipan’i Maurice no hifanandrina voalohany amin’i Madagasikara, eo amin’ny sokajy vehivavy, raha toa ka ry zareo Renioney kosa no hidona voalohany amin’ny Ankoay lehilahy. Tsiahivina, ao amin’ny vondrona A, […]
Fifaninanana : taranja 13 hiditra an-tsehatra anio sabotsy
Hangotraka manomboka anio ny fifaninanana eo amin’ity lalaon’ny Nosy andiany faha-11, ity. Tsy miandriandry fa avy hatrany dia hisy ny fiadiana ny medaly volamena eo amin’ireo taranja sasany. Miisa 13 ireo hiakatra kianja avy hatrany. Hifantoka amin’ny fifaninanana amin’izay, manomboka amin’ity sabotsy 26 aogositra ity, ny lalaon’ ny Nosy. Taranjam-panatanjahantena […]






