Tanterahina anio, ao amin’ny Alliance française Antsiranana, ny fifantenana izay hisolo tena ny tanànan’Antsiranana ho amin’ny “Slam nationale 14, 2023”, eto Antananarivo. Mpifaninana roa no andrasana ho avoakan’ity fifaninanana anio ity. Mpandray anjara roa ambin’ny folo, amin’ny roapolo izao no efa fantatra. Tsy miova ny fepetra sy ny fitsipika fandraisana […]
Other News
Fanararaotra ny JIOI : azo amidy tsara ny zavakanto
Nosokafana, omaly, ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Mahatratra 4 000 any ho any ny vahiny tonga eto Madagasikara. Ankoatra ny fanatanjahantena, mahaliana ny ankamaroan’izy ireo ny mampiavaka ity firenena ity. Na samy ato anatin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina aza, manana ny mampiavaka azy i Madagasikara sy ny Malagasy. Fanararaotra ny […]
FANTINA sy FINTINA
Haka fanapahan-kevitra ny kongresin’ny HVM, anio. Nambaran’ny filoha mpitarika, Rajaonarimampianina Hery, omaly, tamin’ny fotoam-panokafana fa manan-danja ho an’ny fiainan’ny antoko politika ny kongresy nasionaly ka andraisana fanapahan-kevitra momba ny fifidianana. Manohana ny fifidianana demokrarika ny Amerikanina. Nambaran’ny masoivohon’i Etazonia, i Claire Pierangelo, omaly, fa manaraka akaiky ny zotram-pifidianana izy ireo […]
Amin’izao JIOI izao : miantso fiatoana politika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena
“Manao ny lalaon’ny Nosy isika amin’izao fotoana izao. Manainga ny rehetra mba hajanony aloha re ny disadisa rehetra izay azo ajanona”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa, taorian’ny nandraisany ny ambasadaoron’i Torokia, teny Ampahibe, afakomaly. Fitaratra iray ngezabe ny lalaon’ny Nosy itarafan’ny olona an’i Madagasikara sy ny […]
Tsy mitsanga-menatra !
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny Nosy. Manana 10 andro hihanohana anaty fifaninanana sy fety ny mpilalao sy ireo mpahay kanto ary indrindra ny mpijery. Fotoana hanehoan’ny mpandray anjara rehetra ny maha izy azy sy ny talenta ananany izao. Manamarika ny tantaram-piainan’izy ireo satria eo no handrefesana ny fahaiza-manao, […]






