Tontosaina eny amin’ny Arena Ivandry, ao anatin’ny fe-potoana hanatanterahana ny lalaon’ny Nosy, ny « Volet jeunesse ». Ankizy sy tanora 14 hatramin’ny 25 taona, 14 isa avy, avy amin’ny firenena fito no hifandimby handray anjara amin’izany. Marihina fa tsy fifaninanana no atao fa hetsika entina hanamafisana ny fifandraisan’ireo tanora avy […]
Other News
Tsy ampy fototra iaingana: mila mahay tantara ny Malagasy
Nandalo vanim-potoana lehibe maro i Madagasikara sy ny Malagasy. Mbola manako amin’ny ankehitriny izy ireny. Tao ny namelatra holatra fa nisy ihany koa ireo sarotsaro-pantarina ihany ny tena zava-nitranga marina. Tantara avokoa izany… Mila hay sy fantatra ! Ny ankamaroan’ny tantaran’i Madagasikara, vahiny no nanoratra azy. Ny ankabeazany, voatahiry any ivelany. […]
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho tale kabinetran’ny Prezidansa, Ranoromaro Lova Hasinirina, araka ny didy navoakan’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Hisolo toerana vonjimaika an’Andrianarisoa Romy, nisahana izany teo aloha ny tenany. Hanao ny kongresy nasionaliny eny Andraharo, anio sy rahampitso, ny HVM. Ho fantatra eo ny ho kandidà hatolotry ny antoko amin’ny […]
Ravalomanana Marc : nisantatra ny fanaterana dosie teny amin’ny HCC
Kandidà voalohany, nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina tetsy amin’ny HCC, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. “Tafapetraka izany ka ampitao amin’ny vahoaka fa ho avy Dada”, hoy izy, omaly, tetsy Ambohidahy. Nambarany fa nisy fahatarana ny dingana fanomanana sy ny fakana ny antontan-taratasy teny anivon’ny biraom-panjakana. Efa mazava anefa ny toromarika […]
Tsy ho valalan’amboa
Mihazakazakabe ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Tsy mahasakana ny afo manodidina ny politika tsy hirehatra ny lalaon’ny Nosy, izay hanomboka anio. Samy mitondra ny lohany ilay Malagasy. Manao izay mahametimety azy manokana. Tsy mizaha ilay tombontsoa iarahan’ny besinimaro intsony. Voazarazaran’ny «ahy aloha» vao ny hafa. Mahatonga saina ny zava-miseho. […]






