Nanao antso avo ny eo anivon’ny KMF/Cnoe amin’izao hirosoana amin’ny fifidianana izao. Tsipahin’izy ireo marindrano ny mety ho fanohintohinana ny firosoana amin’ny fifidianana. “Aoka hohamoraina ny fikarakaran’ireo kandidà ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ary tsy tokony hiandany ny mpitantan-draharaham-panjakana”, hoy ny filohany, Namearson Robert, tetsy Antanimena, omaly. Nohitsiny fa helohin’izy ireo tanteraka […]
Other News
Tselatra
Olona iray maty, efa naratra. Io no vokatry ny fianjeran’ny fiaramanidina kely iray hofain’ny orinasa Aqualma amin’ny Sky Service tao Fenoarivo Besakoa kaominina ambanivohitr’i Mahajamba Mahajanga II. Teo am-piaingana no nitranga ny loza. Nianjera ka nirehitra avy hatrany ilay fiaramanidina. Nentina hopitaly ireo naratra. Olona telo tratra tao anaty kamiao […]
Andranonakanga : jiolahy roa indray maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny polisy nampian’ny zandary sy Tafika tao amin’ny fokontany Tanambao SPM, kaominina Maintirano, afakomaly alina, ny jiolahy roa. Jiolahy iray hafa azo sambo-belona. Ny 18 aogositra lasa teo, nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Tanambao. Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana ka fantatra tamin’izany fa avy ao Andranonakanga, kaominina Mafaijijo […]
Fandriana : taksiborosy nivadika, olona iray maty
Sesilany ny lozam-pifamoivoina amoizana ain’olona eny amin’ny lalam-pirenena. Taksiborosy iray tra-doza tampoka tao Talata Iary, kaominina ambanivohitr’i Sandradahy, distrikan’i Fandriana, omaly. Olona iray maty tsy tra-drano, olona 15 naratra mafy. Taksiborosy avy any Fianarantsoa hihazo an’i Fandriana izy ity kanjo tra-doza tampoka. Nivadibadika tany anaty hantsana. Potipotika tanteraka ity fiara […]
Fakana an-keriny: telo lahy voatifitra, avotra ny takalonaina
Rotiky ny bala ny jiolahy mpaka an-keriny telo lahy nandritra ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana, afakomaly. Tratra ireo mpiray tsikombakomba. Natao hazalambo, sarona ihany ireo jiolahy mpaka an-keriny sy ny namany tao Antsipangalava, fokontany Morarano, kaominina Ambandrika, distrikan’ Ambatondrazaka afakomaly. Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ireo mpaka an-keriny nahafaty olona sady naka takalonaina […]






