Fiarabe mpitatitra olona avy ao Fianarantsoa no tra-doza, afakomaly. 10 namoy ny ainy, 42 naratra. Antony: voalaza fa tapaka rotule ny fiara, nitelefaonina ny mpamily, nanao taingim-be. Nivadika ny fiarabe taksiborosy mampitohy an’i Fianarantsoa sy ny kaominina Ambanivohitra Soatanana, distrikan’Isandra, afakomaly atoandro. Olona folo no namoy ny ainy: dimy maty […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
“Faniriana ny hisian’ny filaminana sy hirosoana amin’ny fifidianana amin’ny fomba demokratika”, hoy ny filohan’ny Fikambanana Malagasy mijoro (Fimami), any Toamasina, ny loholona teo aloha, ny Dr Benessy Harison Sébastien. Ny Lalàmpanorenana ihany no tokony hohajaina sy harahina. Efa niezaka tamin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ny Ceni. “Eny anivon’ny kaominina izao […]
HVM : “Tokony hifampiresahana ny famoahana lisi-pifidianana”
“Mety marina ny ahiahin’ny Ceni hoe fanajana ny momba ny olona tsirairay avy, fanajana ny zon’olombelona. Mafy ny lalàna, saingy izay ny lalàna”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny lalàna ahazoan’ny olom-pirenena mijery ny lisi-pifidianana amin’ny fotoana rehetra. Tsy afa-manova lalàna ny […]
Mila milamina
Ny fahantrana mahazaka maniraka? Mby an-tsaina ho azy amin’izany ny hoe anisan’ny mahatonga ny olona hanaotao foana ny fahantrana. Nefa eo koa ny fitiavan-tena, ny fitia te hanambe haingana sy tampoka. Izany no mampirongatra ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa amin’izao? Misy tonga amin’ny famonoana tsy ahoan-tsy ahoana, fakana […]
Filoha Rajoelina tao Toliara : «Mandroso isika ary mipaka eny ifotony izany»
Nifarana omaly, ny fitsidihan’ny filoha Rajoelina Andry ny tany Atsimo. Namaranany izany tao Toliara ny fitokanana fotodrafitrasa maromaro. Mipaka hatrany ifotony. Anisan’ny notokanana ny «Centrale solaire» ao Betsinjaka ka hisitraka izany ny tokantrano maherin’ ny 6 000. Toerana faharoa miavaka eto Afrika io teknolojia io ary ahafahana mitsitsy vola amin’ny vidin’ny […]






