Other News

Jeneraly Tsaranazy Jean-Emile : “Tsy mahafa-po ny Arema ny fandaminana ny fifidianana”

“Tsy mahafa-po ny Arema ny fomba fandaminana ny fifidianana”, hoy ny mpikamban’ ny antoko Arema, ny jeneraly Tsaranazy Jean-Emile, mom­ba ny fiatrehana fifidianana. Misy fifangaroana amin’ny mpitondra ny mpikarakara fifidianana, ny HCC sy ny Ceni, ohatra. Tsy tokony hikarakara fifidianana koa ny olom-boatendry. Toy izany ny teny mi­tan’ny minisiteran’ny Atitany ny tokony […]

Paositra malagasy : hanohana ireo atleta hanao ny JIOI

Ministerana mpiahy ny taranja atletisma amin’ity lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina andiany faha-11 ity ny minisiteran’ ny Fampiroboroboana sy fanovàna ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT). Rantsa-mangaika ao anatin’ity MNDPT ny Paositra Malagasy. Nitondra ny anjara birikiny ho fanohana ireo atleta manodidina ny 80 isa […]

Taninketsa indostrialy : milina efatra napetraka ao Toliara

Mahavelombolo ny any ifotony ny fisiana ozinina hanodinana ireo vokatra any aminy. Milina efatra no napetraka ao Toliara hisahana izany. Tonga any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny tetikasa “One district One Factory” (ODOF). Napetraka ao Toliara ny milina efatra mpanodim-bokatra hanampiana ireo vahoaka any an-toerana. Hanodina ireo vokatra mampalaza ny faritra toy […]

Tselatra

Tazonina anaovana fanadihadiana eny Fiadanana i Riribe mpikambana ao amin’ny Rodo­ben’ny mpanohitra. Hatreto aloha tsy fantatra mazava izay anton’ny fisamborana azy fa mbola ao anatin’ny famotorana azy ny zandary. Kilan’ny afo vokatry ny tsy fahatomombanana teknika ny taksiborosy iray mampitohy an’Ambanja sy Antananarivo, omaly. 21 km tsy hidirana an’i Maeva­tanana, […]

Anosibe : jiolahy iray voasambotry ny SAG

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny SAG, teny Ano­sibe, omaly atoandro, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana. Nifanehatra tamin’ny polisy nanao fanamiana sivily ity jiolahy ity ka noraisim-potsiny rehefa avy nanendaka. Raikitra ny fifanenjehana ka tsy lasa lavitra izy dia tra­tra. Mbola hita tany aminy ny finday halatra avy nangalariny tamin’io fotoana […]