Filoha Rajoelina tao Toliara : «Mandroso isika ary mipaka eny ifotony izany»

Nifarana omaly, ny fitsidihan’ny filoha Rajoelina Andry ny tany Atsimo. Namaranany izany tao Toliara ny fitokanana fotodrafitrasa maromaro.

Mipaka hatrany ifotony. Anisan’ny notokanana ny «Centrale solaire» ao Betsinjaka ka hisitraka izany ny tokantrano maherin’ ny 6 000. Toerana faharoa miavaka eto Afrika io teknolojia io ary ahafahana mitsitsy vola amin’ny vidin’ny solika ilaina hampiodinana ireo milina mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny menaka mavesatra. Manomboka izao dia tokony hihena ary tsy tokony hisy intsony ny fahatapatapahan’ny jiro. Mazava ny nambaran’ny filoha tamin’izany. «Mandroso isika ary mipaka eny ifotony izany», hoy izy. Nisitraka taninketsa indostrialy koa i Toliara. Eo ny milina fanodinana akora ho lasa menaka toy ny soja sy ny voanjo. Ny iray mamokatra «Chips» avy amin’ny ovy sy oviala, ny voamanga ary ny akondro. Ny milina fahatelo kosa afaka manodina kobam-bary ho lasa lafarinina sy paty ary ny ozinina iray, fanodinana voamaina ao amin’ny distri­kan’i Morombe. Tanjona ny hahafahana mitahiry ireo vokatra ireo mba tsy ho simba. Eo koa ny fanohanana ireo tantsaha hioitra eo amin’ny sehatry ny varotra hiantohana ny fampandrosoana ara-toekarena eny ifotony.

Hanohana ny filoha ireo ben’ny Tanàna
Etsy andaniny, nisitraka moto sy kamiao iasana ireo ben’ny Tanàna maherin’ny 100. Nambaran’ny solonte­nan’izy ireo fa vonona hanohana ny filoha sy nirary ny hahavitana be sy hanohizana ny andraikitra efa noraisina. Nambaran’ny filoha kosa fa betsaka ireo manaratsy. «Tsy voasakan’izany anefa ianareo satria fantatro fa tia ahy. Tsy ianareo eto ihany fa hatreny an-dalana rehetra teny, tomefy olona avokoa. Tsy tambazana vola fa vokatry ny fitiavana», hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: