Jeneraly Tsaranazy Jean-Emile : “Tsy mahafa-po ny Arema ny fandaminana ny fifidianana”

“Tsy mahafa-po ny Arema ny fomba fandaminana ny fifidianana”, hoy ny mpikamban’ ny antoko Arema, ny jeneraly Tsaranazy Jean-Emile, mom­ba ny fiatrehana fifidianana. Misy fifangaroana amin’ny mpitondra ny mpikarakara fifidianana, ny HCC sy ny Ceni, ohatra. Tsy tokony hikarakara fifidianana koa ny olom-boatendry. Toy izany ny teny mi­tan’ny minisiteran’ny Atitany ny tokony hanaovan’ny prefet sy ny lehiben’ny distrika tatitra ny zava-bitan’ny fitondram-panjakana amin’ny ben’ny Tanàna. Efa mialoha ny fampielezan-kevitra ataon’ny fi­tondram-panjakana izany. Matoa natao ny Ceni, ny rantsa-mangaikainy irery no tokony hanao ny fikarakarana fifidianana.
Lohahevitra roa no tena imatimatesan’ny Arema ao anatin’ny Boky mena amin’izao. Eo ny fanapariaham-pahefana izay efa natomboka tamin’ny Faritany mizakatena sy ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana. Hotohizana sy hohatsaraina izany, raha sitraky ny Malagasy ny hahavoafidy ny Arema. Eo koa ny fanapariahana ny loharanom-bola amin’ny fanapariaham-pahefana. Tokony hanana ny tetibolany manokana ny fokontany, ny kaominina, ny faritra, ny faritany.
Ratsiraka Annick no kandidà an’ny antoko amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ary handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ihany koa izy ireo. Ny antoko izay efa taona maro tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana.

R. Nd.

Partager sur: