Other News

Karate-JIOI : laharana voalohany no tanjona

Nanao tohy vakana, omaly, ny fanomezana tohana avy amin’ny minisitra mpiahy, ho an’ireo atleta sy mpanazatra hiatrika ny lalaon’ny Nosy, hanomboka afaka 2 herinandro. Anisan’ny nisitraka izany ny taranja Karate, tetsy amin’ ny Madagascar Espace, By-pass. Mizotra antsakany sy andavany ny fanomanante­nan’ireo atleta, araka ny nambaran’ny atleta. Hikendry ny laharana […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus Stadium By Pass, ny andro voalohan’ny fiadiana ny amboaram-paritra “Coupe du Président 2023” ho an’ny vondrona B. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny ekipan’i Mahajanga sy i Fianarantsoa. Nano­katra izany tamin’ny fomba ofisialy, afakomaly, ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina. Higadona eto […]

Tsipy kanetibe : nahazo 9 tapitrisa Ariary ny mpilalao

Tonga teny amin’ny kianja complexe Vontovorona ny minisitra mpiahy roa lahy, ny ao amin’ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, sy ny ao amin’ny Asa sy ny fampananan’asa, Richard Jean Bosco Rivotiana, omaly. Nitondra fanampiana ho an’ireo atleta amin’ny tsipy kanetibe izy ireo, araka ny fampanantenana natao, andro vitsy lasa […]

Taranja baolina kitra : ho fantatra anio izay ho filohan’ny ligy 22

Hotanterahina anio ny fifidianana izay ho filohan’ny ligim-paritry ny baolina kitra manerana an’i Madagasikara. Misy ireo kandidà teo aloha, mbola mifaninana… Hifantoka tanteraka amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny ligim-paritra ny baolina kitra, ny ligy 22 ma­nerana an’i Madagasikara, amin’ity faran’ny herinandro ity. Ho fantatra amin’ity sabo­tsy 12 aogositra ity mantsy […]

VAOVAO TAMBATRA

Ho tapaka ny famatsiana herinaratra any amin’ ny faritra Atsimondrano rahampitso. Hisy fiantraikany amin’ny famatsian-drano koa izany noho ny fampiakarana tosika “surpresseur” miankina amin’ny herinaratra. Atao izao hisorohana ny fahatapahan-jiro matetika eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Nidina ho 600Ar ny kapoakan’ny vary any amin’ny faritra Melaky, tamin’ity herinandro ity, raha […]