Other News

TSELATRA

Tokantrano iray norobain’ny olon-dratsy tao Soavinimerina, kaominiana Ambohimanga Rova, omaly. Lasan’ny olon-dratsy ny finday roa sy zavamaneno iray, tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro. Nitsambikina varavarankely ilay mpandroba ka nitsoaka. Fiara tsy mataho-dalana roa nifandona teny amin’ny lalan’i Tsarasaotra, omaly tolakandro. Samy nandeha mafy ny mpamily ka niafara ta­min’ny loza. […]

Nandroba volamena : dahalo roa lahy maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy anisan’ireo nanafika mpitrandraka volamena tao Am­batomaranitra, amoron’ny reniranon’i Matsamena, distrikan’i Maevatanana, afako­maly. Nandroba ireo mpitrandraka tao amin’io toerana io ny dahalo telo lahy nirongo basy. Trano maromaro lasibatra tamin’izany. Lahy antitra iray, nodarohan’ireo tsy mataho-tody. Nanapoapoaka basy ireto farany. Raiki-tahotra ny mpitrandraka. […]

150 000Ar ny iray : roa lahy nahatrarana sokatra 79 isa

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanaovana trafi­kana sokatra. Voasambotra teo am-pivarotana sokatra izy roa lahy afakomaly, teny Ankorondrano. Ny polisin’ny Cybercrimi­nalité no nahasambotra azy ireo. Ny 3 aogositra 2023 lasa teo, naharay fitarainana momba ny fisiana olona manao fanambarana anaty tambajotran-tserasera « facebook » mi­laza […]

Mpianadahy niady lova : vehivavy maty, nolerana antsy

Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny vehivavy iray. Notetitetehin’ny anadahiny antsy izy, ny 19 jolay lasa teo. Voalazan’ny mpanao famotorana fa ady lova no antony. Tranga mampalahelo no niseho tao amin’ny fo­kontany Anjijibe, kaominina Ampasina Maningory, distrikan’i Fenoarivo Atsina­nana, faritra Analanjirofo, ny 19 jolay lasa teo. Notetehin’ny anadahiny antsy ny […]