Other News

Rakotoson Andriamihaja Jimmy : “Aza variana manenjika fotsiny ny firaisamonina sivily”

Aiza ho aiza ny zotram-pifidianana amin’izao? Misy ny mpisehatra politika tsy manao afa-tsy ny mitsikera. Toy izany koa ny firaisamonina sivily sasany. “Aza variana manenjika fotsiny ny firaisamonina sivily”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpikamban’ny ASD, Rakotoson Andriamihaja Jimmy. “Aza variana manenjika fotsiny… Amin’ny maha firaisamonina sivily, manana adidy amin’ny fanentanana […]

TARATRY ny KANTO

Kabary sy kilalao malagasy. Nitohy omaly, ary tanterahina isaky ny alarobia, hatramin’ny 13 septambra 2023, ny fampianarana kabary sy kilalao mala­gasy, maimaimpoana, tanterahina manerana ny boriborintany enina eto Antananarivo. Ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny alalan’ny DACVC, miaraka amin’ny fikambanana Manda Mpikabary no mikarakara ny hetsika. “Stand Up Comedy”. Tanterahina anio, […]

« Lecture en rire » : tanjon’ny hetsika ny hanabe sy hampiala voly

Tontosa, omaly, teny Am­banidia, tao amin’ny boribo­rintany faharoa ny hetsika, « Lecture en rire”. Hetsika ka­rakarain’ny fikambanana Be Tige sy ny Gasy Stand-Uppers, miaraka amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny DACVC. Vaky boky nolaroina hatsikana niarahana tamin’ny mpanao hatsikana ao amin’ny Be Tige sy Gasy Stand Uppers ny he­tsika raha tsiahivina. […]

Jazz@Tohatohabato – « Jazz Kids » : nahatafita hafatra ireo zoky mpilalao jazz

Nosokafana, omaly, tao amin’ny Ivokolo Analakely ny fampisehoana voalohany amin’ny « Jazz@Tohatohabato ». Ireo kilonga voasokajy ao anatin’ny « Jazz Kids » no nanatanteraka izany. Nitendry ny vatamaroafi­tsoka i Mamy Robinson. Ny zanany vavy no ni­hira ny « Manin-te hody ». Nia­katra ny sehatra ry zareo ao amin’ny Jazz Club CGM, ta­zana teny an-toerana i Pépé, […]