Other News

INDRAY MIJERY

Misitraka fiofanana ho fanamafisana traikefa ireo mpampianatra ny kilasy garabola 43, ao anatin’ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Ihorombe. Nanomboka ny alatsinainy teo ary haharitra 10 andro ny fiofanana. Manana solontena koa ny mpanolotsaim-pampianarana avy any amin’ny foibem-paritry ny fanabeazam-pirenena Atsimo Andrefana. Ho fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana, nomena fitaovana ny toerana famindrana […]

TARATRY ny KANTO

“Volontany”. Tanterahina eny amin’ny Ivokolo Analakely, nanomboka omaly hatramin’ny 15 septambra 2023, ny fampirantiana nampitondraina ny lohateny hoe “Volontany”, tontosain’i Hery Zo Ralaindimby. Hosodoko maneho ny zava-misy eto an-toerana no aseho ao anatin’izay. Kolontsaina sy kilalao malagasy. Tontosaina manomboka anio, ary hitohy ny 5 sy 6 aogositra 2023, ny fampianarana […]

Lalaon’ny Frankôfônia- Hip Hop : Andrandraina ny fandresen’ny Moustik Crew

Niaka-tsehatra voalohany ny Moustik Crew, omaly. Ekipa malagasy eo amin’ny hip hop, miady medaly aty Kinshasa, RDC, anatin’ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy. Nampihoraka ny mpijery rehetra, na ny tompon-tanàna aza ny sehon-dry zalahy taizan’i Angeluc Rehava ireto. An­drandraina mafy, araka izany, ny hitondran’izy ireo medaly mody. Tafakatra hiatrika ny «battle», […]

« Mitodiha anie e! » : maneho ny maha izy ny Varatava ny ranty

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Ivotoeran’ny kolontsaina ma­lagasy (IKM) Antsahavola, ny fampirantiana « Mitodiha anie e! », karakarain’ny fikamba­nana Varatava. Nisy ny fampahafantarana ny mahakasika ny sary miranty, nataon’ny mpahay kanto nanao azy, nandritra izany lanonana fanokafana izany. Sary maro sami­hafa, nataon’ny mpikambana ao anatin’ity fikambanana ity no […]

Fampandrosoana: mila manana arsiva ny sehatra tsirairay

Tahiry taratasy maro. Mety nifandraisana taman’olon-kafa, mety natao teo amin’ny sehatry ny raharaham-panja­kana ihany koa. Arsiva avokoa ireny. Fitaovana ilaina amin’ny fampandrosoana. Afaka manangona ireo ta­ratasy heveriny fa ilaina sy tokony hotahirizina ny tsirairay. Na tsy ho azy (ho an’ilay nanangona) mivantana aza, ahafahan’ny taranaka any aoriana mijery sy mamantatra […]