Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fonja Ambatondrazaka, omaly alina. Fokonolona avy ao Mangalaza no nitarika ny fanafihana. Nitaky ny hamotsorana ny namany voasaringotra tamina raharaha fitsaram-bahoaka izy ireo. Nifehy ny toe-draharaha ny mpiandry fonja sy ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Olona 13 nidoboka ao amin’ny fonjan’Antanimora, voarohirohy tamin’ny raharaha fiparitahan’ny […]
Other News
Ambohimangakely : mpitondra moto maty voadonan’ny taxi-be
Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, PK 11+800, Andranomandry, fokontany Ambohitrombihavana, kaominina Ambanivohitra Ambohimangakely, distrika Antananarivo Avaradrano, omaly tamin’ny 10 ora sy 15 minitra. Maty tsy tra-drano vokatr’izany ny mpitondra moto iray. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary, notarihin’ny lehiben’ny tobim-paritra nanao ny fitsirihana rehetra, vantany vao naharay ny […]
Ampasanimalo : raim-pianakaviana maty nananton-tena
Lehilahy 23 taona, maty nihantona tao amin’ny trano fonenany tao Ambodimanga, fokontany Ampasanimalo, boriborintany faharoa, omaly. Niala maraina handeha hiasa no nialany tao an-trano. Niverina tampoka anefa izy. Nifanandrify tamin’io fotoana io, tsy tao an-tokantrano ny vadiny sy ilay zanany. Talanjona ilay renim-pianakaviana nahita ny trano nisokatra. Niditra, vatan’ny rain-janany […]
Renikely novonoina: nofiraina antsy teo amin’ny tendany
Fatim-behivavy efa mangana sy namoaka fofona hita nihidy tao an-tranony, tao Amparafaravola , ny alahady tolakandro teo. Voarasa antsy teo amin’ny tendany, mangana ary efa namoaka fofona ratsy ny vatan’ny vehivavy iray namoy ny ainy tao fokontany Antanambao, kaominina ambanivohitra Ambatomainty. «Nakapoka tamin’ny fandriana natoriana mihitsy io vehivavy io raha […]






