Miisa 504 ny mpiasan’ny kaominina nahazo fiofanana avy any amin’ny faritra miisa dimy: Sava, Analamanga, Menabe, Atsinanana ary Analanjirofo. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ivontoeram-pirenena mikasika ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony (INDDL) sy ny Tahirim-bola ho an’ny fampandrosoana eny ifotony (FDL). Nanohana ny governemanta Amerikana, amin’ny alalan’ny Antokondraharaha ho […]
Other News
Firenena an-dalam-pandrosoana: avy amin’ny tsy miankina ny ¾-n’ny fampiasam-bola
Fanoitran’ny fampandrosoana ara-toekarena ny sehatra tsy miankina. Araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena farany teo, miankina amin’ny fihetsiky ny orinasa tsy miankina sy ny mpanjifa ny hoavin’ny firenena rehetra maneran-tany, manoloana izao krizy ara-toekarena mavaivay izao. Fototry ny seha-pihariana manan-danja ny fampiasam-bolan’ny tsy miankina. Fomba hanatanterahana azy ny famoronan’izy ireo tolotra vaovao, mba hamoronana asa. Mitaky fifamatorana […]
Lalam-pirenena faharoa : arindra ny fifamoivoizana
Maika ny fanarenana ny lalam-pirenena eto amintsika. Anisan’izany ny RN 2 izay tsy maintsy arindra ny fifamoivoizana satria maro ny fiara mivezivezy aminy. Miisa roa ny orinasa manao ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faharoa (RN 2). Nisy fivoriana notarihin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, niaraka […]
TARATRY ny KANTO
Mahatratra 16km ny tahiry ao amin’ny Arsivam-pirenena malagasy etsy Tsaralalana. Taratasy nifanaovana teo anivon’ny fanjakana efa tany amin’ny taona 1878 no voatahiry ao. Mbola ireo Sakaizam-bohitra tao anatin’ny Imerina enin-toko no nikarakara ireny taratasy ireny. Teo anatrehany no nanoratana ny zaza teraka, ny maty, ny fifanekena ifanaovan’ny olona, sns. Tontosa […]
Lalaon’ny Frankôfônia- Literatiora : miandry valim-pitsarana i Narda Natioranomena
Samy miezaka hanome ny kanto indrindra avy aminy ireo Malagasy mpanakanto mifaninana amin’ny lalaon’ny Frankôfônia. Anisan’ireny ny mpanoratra sady poeta Narda Natioranomena, izay manam-bintana handrombaka medaly. Niatrika ireo mpitsara, omaly, ity solontena malagasy eo amin’ny sokajy literatiora ity. “Monsieur Stylo” no sanganasa novakiany teo anoloan’ny mpitsara sy ireo mpanoratra namany […]






