Hiara-miasa amin’ny ben’ny Tanàna sy ny lehiben’ny fokontany ny filoha Rajoelina Andry, raha ny nambarany teny amin’ny CCI Ivato, omaly. ”Tsy hisy kaominina sy fokontany hadino”, hoy izy. “Teniko ombieny ombieny ny hoe tsy hisy distrika hadino intsony. Nanaovana fotodrafitrasa avokoa ny distrika rehetra. Miditra amin’ny dingana goavana isika izao: […]
Other News
Nikasa hanolana ny anabaviny : voaheloka 5 taona an-tranomaizina i Galy
Niakatra fitsarana ady heloka bevava tao Toamasina, omaly, ny raharaha anenjehana an’i Issai Galy, araka ny antontan-taratasin’ady laharana faha 40-Toa/23-2715-Rp/22. Loham-piampangana anenjehana azy ny fikasana hanao fanolanana tamina ankizivavy tsy ampy taona. Voafaritry ny lalàna famaizana izany ka dimy taona an-tranomaizina asa an-terivozona miampy fandoavana onitra 2 tapitrisa Ar ho […]
Laza adina BEPC hosoka : mpampianatra roa voasambotra
Mpampianatra ny roa tamin’ireo efatra mianadahy nivarotra laza adina BEPC hosoka voasambotry ny zandary tetsy Talatamaty, afakomaly. Manao fanambarana amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, nilaza ho manana laza adina BEPC izy efatra mianadahy ireto. Amidiny 50 000 Ar ny iray. Niteraka fikorontanana saim-bahoaka ny fisian’io tranga io. Nijery ifotony ny raharaha ny eo […]
Afera maloto : mahazo vahana ny halatra taolam-paty
Trangam-piarahamonina mahazo laka,isaky ny vanim-potoanan’ny fifidianana ny halatra taolam-paty. Taolan-dava miisa 474, nisy nanary tao anaty kirihitra, omaly. Taolam-paty dimy gony, hita tao anaty kirihitra, tao amin’ny fokontany Ambatofaritana, kaominina Antsenavolo, distrikan’i Mananjary, omaly. Ramatoa iray handeha haka kitay no nahatsikaritra gony marobe. Nentin’ny fitiavana tia jerijery, nosavainy kinanjo taolam-paty […]






