Nanomboka omaly ny fampisakafoana ireo mpiadina manala fanadinana BEPC, eny amin’ny kaominina ambanivohitra Soavina. Hetsika nokarakarain’ny ben’ny Tanàna sy ny mpiara-miasa aminy, natao teo an-tokontany malalaky ny Ceg Soavina. Nisitraka izany ireo mpiadina 324 avy amin’ny sekoly 13 miankina sy tsy miankina ao anatin’ny kaominina. “Tsapa ny tsy fitovian’ny sakafo […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Nitarika ny fivoriana faharoa fandrafetana ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE), teny Mahazoarivo, omaly, ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nambarany fa fototra iray lehibe ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fampivelarana ny politikan’ny fitsinjaram-pahefana miabo, na ny eny ifotony na ny any amin’ny foibe. “Tsy azo kosehina ny asa nataontsika […]
Fanjakana sy ny eglizy katolika : mirary ny fitohizan’ny fiaraha-miasa ny Praiminisitra
“Mitondra ny fankasitrahana sy fankatelemana ny papa Fransoa ny fitondram-panjakana malagasy, tarihin’ny filoha Andry Rajoelina”, hoy ny kabarin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tany Namahora, Morondava, ny faran’ny herinandro teo. Lahateny natao nandritra ny fanamasinana ho eveka mpanampy ao amin’ny diosezin’i Morondava, ny Mgr Rakotojaona Jean-Nicolas Misaotra noho ny fanomezana fitahiana sy […]
Mahafanina, mahavalalanina
Raha atao safobemantsina, mahamay ny tanàna. Misy otrikafo tsy mbola mirehitra any ambadibadika any. May ara-bakiteny ny eny an-tanàna, na mbola anaty delestazy aza. Mahazo vahana ny hain-trano mitarika fahafatesana, na ny loza maha may olombelona. Matetika voina tsy ampoizina nateraky ny tsy fitandremana izany. Tao anatin’ny tapa-bolana, firy […]
Tetezamita: tsy mbola maty momoka ny fiketrehana
Mbola misy ny vondron-kery mikononkonona ny tetezamita, toy ny vondron’ny mpanohitra, andaniny. Ankilany, misy ny mpanao politika efa manomana fifidianana. Tsy maty momoka akory, fa mbola andrasana ny fiafaran’ilay resaka fitondrana Tetezamita. Anisan’ ny novoizin’ireo mpanohitra, nandritra ny hetsika natao tamin’ny faran’ny volana jona lasa teo. Tapaka tamin’izany ny hananganana […]






