Navadika lavenona avokoa ireo rongony nilanja 40 kg tra-tehaka tao Anaviavy, kaominina ambanivohitra Ambia, distrikan’ Ihosy, omaly. Ny sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina no nahasarona ireo rongony ireo, ny 23 jona lasa teo. Tsy nisy olona voasambotra. Nogiazana ireo rongony efatra gony ka izao nodorana izao. Mpitandro filaminana iray […]
Other News
Enina naratra: nifandona ny mpitokona sy ny mpitandro filaminana
Olona enina nentina notsaboina teny anivon’ny hopitaly be Taolagnaro, omaly. Naratra vokatry ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpitokona ao an-toerana izy ireo. Nanao fanakanan-dalana teo amin’ny toerana atao hoe Amaroamalina sy “4 chémins” ireo mpitokona. “Efa niezaka nitady ny marimaritra iraisana tamin’ireo fokonolona izahay saingy misy ny […]
Fifampitifirana : jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy
Jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy, roa azo sambo-belona. Io no vokatry ny fifandonana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy mpangalatr’omby sady mpamono olona ao amin’ny faritr’Ihorombe, afakomaly. Ny faran’ny volana jona teo, nanafika tao amin’ny fokontany Ambaniandrefana, Ihosy, ireto jiolahy ireto. Olona iray maty nandritra ny fanafihana. Omby telo […]
Mpivady resin-tory: kilan’ny afo teo am-pandriana
Main’ny afo teo am-pandriana izy mivady ka mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Afom-patampera namanana akoho fiompy noho ny delestazy no nandoro trano. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitalibe Toamasina ireo mpivady, may kila tao an-trano fonenany, ny sabotsy alina teo. Tao amin’ny fokontany Andranomadio Toamasina Parisela 11/41, carreau “C” […]






