Other News

ENS Ampefiloha : manandratra ny hasin’ ny teny malagasy

Nifarana ny zoma teo ny hetsika fankalazana ny iray volan’ny teny malagasy, teny anivon’ny Ecole normale su­périeure (ENS) Ampefiloha. Nokarakarain’ny mpianatra rehetra teo anivon’ny sekoly. Nampitondrainy ny lohahevitra hoe: “Teny malagasy, fototra mampandroso ny fanabeazana”.Tanjona ny hanandratana ny teny sy ny maha-Mala­gasy manoloana ny rivotra mitsoka avy any ivelany. Na­nambara […]

Fiadidiana ny Repoblika : “Adihevitra ny fizakan’ny filoha zom-pirenena vahiny”

“Malagasy ray sy reny ary mbola mizaka feno ny zom-pirenena malagasy sy manana fitiavan-tanindrazana ny filoha Andry Rajoelina”, hoy ny talen’ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe eo anivon’ny fiadidiana ny Re­poblika, Ranoromaro Lova Hasinirina, teny Ambohitso­rohitra, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny adihevitra momba ny fizakan’ny filohan’ ny Repoblika […]

INDRAY MIJERY

16 mianadahy ny ankizy beazina ao amin’ny akanin’ny Marenina (Akama) etsy 67ha niatrika ny fanadinana CEPE. Afa-panadinana avokoa ny 14 tamin’ireo. Nahatratra 87,5%, araka izany, ny taham-pahafahana. Hampitaina amin’ny teny tanana ny lesona ho an’ny ankizy. Hafana ny andro ao anatin’ny roa andro. Hidina ny maripana manomboka ny alakamisy tontolo. […]

Mpanjono 115: nisitraka kisary ny rojom- pihariana trondro

Notontosaina ny sabotsy teo ny fanofanana ireo mpanjono 115 momba ny ny rojom-pihariana trondro na « cartographie de la chaine de valeur poisson » tao Andranobe atsinanana, Antsirabe, faritra Vakinankaratra. Anisan’ny lohahevitra noresahiny tamin’izany ny fampahafantarana momba ny asa rehetra sy ny mpandray anjara ary ireo pitsopitsony manodidina ny sehatry ny jono. […]