Efa mahazatra isan-taona ny « podium » etsy sy eroa, ny afomanga, ny matso ary ny fampisehoana aorian’izay. Niavaka tamin’ity taona ity kosa ny seho ara-pilazantsara lehibe, nitondrana am-bavaka ny firenena tetsy Mahamasina. «Antsam-piderana ho an’ny firenena ». Seho goavambe, tafiditra anatin’ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena izy ity. Notontosaina ny alahady […]
Other News
Matso lehibe: tsy nandray anjara ny Tafika frantsay
Anisan’ny nandrasan’ny mpanatrika sy ny mpanara-baovao ny fahatongavan’ny Tafika frantsay avy any amin’ny FAZOI, omaly, teny Mahamasina. Tsy tonga anefa izy ireo noho ny antony izay tsy nampahafantarina ny mpanatrika. Nilaza ny Jly Andriamasimanana William, tomponandraikitry ny filaminana eo anivon’ny komitim-pirenena mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena (CTNO), fa tokony ho […]
Niova fianjaika !
Salanitra ry ambanilanitra, indrindra isika mpamaky ny Taratra. 19 taona sy efa-bolana aty aorian’ny nivoahan’ny laharana “aotra”, miova endrika ny gazety. Miova mifanaraka amin’izay ihany koa ny fomba fiasa eo anivon’ny fanoratana. Miezaka ny mpanao gazety sy ny mpitantana, hifampizara vokatra tsara kalitao. Voakasik’izany ny lafin’ny teknika sy ny […]
Fetin’ny fahaleovantena : nampiray fo ny Malagasy !
Tia tanindrazana ny Malagasy ! Tsy nahasakana azy ireo tsy hifety ny resaben’ny mpanao politika. Nizotra tanaty filaminana ny hetsika rehetra manerana ny Nosy. Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina, ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena sy ny nijoroan’ny foloalindahy malagasy. Nanatrika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry sy ny […]
TSELATRA
Na teo aza ny hafatrafatra nampitain’ireo tomponandraikitra nanao ny fandaminana ka nampizotra tsara, araka ny tokony ho izy, ny fankalazana ny fety, nisy ihany koa ny tandrevaka nataon’ireo ray aman-dreny sasantsany amin’ireo zanany. Tao ireo efa tonga ny mpanaraka naka ireo ankizy niaraka taminy, ao kosa ireo mbola tazonin’ny tomponandraikitra […]






