Other News

Fikaohan’ny nofontany : velarantany 9 000ha harenina any Amoron’i Mania

Tsy mionona amin’ny fiarovana ny ala fotsiny ny fikajiana ny tontolo iainana. Tsinjovina koa ny hitondra fampandrosoana hanatsarana ny fiveloman’ny mponina. Anisan’izany ny fandaharanasa PLAE. Hisehatra amin’ny fa­mo­karana, fiarovana ny ala voajanahary sy fampihenana ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny fampiroboroboana ny toekarena eny ambanivohitra ny fandaharanasa PLAE* andiany […]

Vovonana Lera : “Tsy handray anjara amin’ ny diniky ny Ceni izahay”

Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Vovonana Lera, omaly teny Tsimbazaza. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tena tonga ny fotoana “Lera”. Anisan’izany ny fitotongan’ny toekarena, ny vidim-piainana, ny tsy fananana asa, ny tsy fandriampahalemana. Ny olan’ny fikarakarana ny fifidianana. “Tsy handray anjara amin’ ny dinika faharoa karakara­in’ny Ceni anio, izahay…”, […]

Asara …mantsina !

Andro sisa dia hilanona ny vahoaka malagasy tsivakivolo. Hiara-hankalaza ny vanin’andro niverenan’ny fahaleovantena ara-politikan’i Madagasikara. Efa serintseriny sy somebiseby aoka izany ny mpikarakara, ankehitriny. Mandeha ny fizarana ny fanasana. Asa, iza avy no nahazo ny anjarany? Iza ihany koa no hanoina ny antso? Iaraha-mahalala fa efa vaky sy tsy misy […]

Mpandraharaha novonoina : notapahin-doha, nanjavona ny tongony

Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana i Jackie,  mpandraharaha ao Toamasina. Razana tsy nisy loha sy tongotra aman-tanana no hitan’ny fianakaviana. Hita faty tanaty kirihitr’ala, akaiky fasana, ao amin’ny fokontany Ambalateza, kaominina An­do­dabe, Toamasina II, i Jackie, ny zoma heriny lasa teo. Ny havany sy ny mpiasany ihany no voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana azy. […]