Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny sefo fokontany ao Ambohimiarina, kaominina Ambalafaminty, distrikan’ Antsohihy, afakomaly. Noho ny firaisana tsikombakomba amin’ny dahalo mpangalatr’omby, nentina natao fanadihadiana io lehiben’ny fokonolona ao an-toerana io. Miara-miasa amin’ireo olon-dratsy, anisan’ny mandoto ny fandriampahalemana ao anatin’ity distrika ity ny fandraisany anjara sy fidirany an-tsehatra ka antony nanadihadiana azy. […]
Other News
Ankoatra ny eo Anosy…: hisy afomanga lehibe koa ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina
Toy ny fanao isaky ny 25 jona, hanamarihana ny fetim-pirenena, hisy indray ny fandefasana ny afomanga miavaka amin’ity. Efa ao anatin’ny fametrahana ny pitsopitsony ara-teknika avokoa ireo tomponandraikitra misahana izany. Efa vonona ihany koa ny toerana hanatanterahana izany. Nomarihin’ny komity mpikarakara fa efa voaara-maso avokoa ireo fitaovana rehetra entina ampiasaina […]
Herisetra ara-nofo : nidoboka eny Tsiafahy ilay nanolan-jaza 4 taona
Nalefa eny Tsiafahy vonjimaika, taorian’ny fampanoavana, omaly, ny lehilahy iray 34 taona nanolana zazavavikely. Vao efa-taona, nobatain’ io tsy mataho-tody io tampoka teny an-tokotanin’ny ray aman-dreniny io zazakely io. Tsy hita popoka taorian’izay ilay zaza. Tsikaritry ny olona tsara sitrapo anefa ny nitondran’io lehilahy io ilay zaza. Nihazakazaka nijery izany […]
Taksiborosy nitsoraka ambany tetezana : zaza 8 taona namoy ny ainy, olona 8 naratra
Maty tsy tra-drano ilay zaza 8 taona tao anatina taksiborosy iray tra-doza tao Ambatolampy, omaly. Nandeha mafy, tafavoaka ny tetezana anatin’ny lalam-pirenena fahafito, teo amin’ny PK 57+700, Antsahafiraisana, fokontany Amboniriana, kaominina Andriambilany, distrika Ambatolampy, ny taksiborosy iray, omaly maraina. Nitondra mpandeha avy any Vangaindrano, nikasa hihazo an’Antananarivo izy ireo. Nivoaka […]






