Nahatratra 600 ireo mpilalao zandriny, hotilina amin’ny resaka baolina kitra eto amintsika manomboka anio. Vahiny mpitily matihanina roa no hanao ny adina ho azy ireo. Marihina fa mety hilalao any Frantsa, Canada, Etazonia, Alemaina ireo voatily. H otanterahina ao amin’ ny kianja “synthetique” Mahamasina, manomboka anio hatramin’ny zoma 23 jona, […]
Other News
Fanja Andriamanantena : «60 taona ny mozikako»
«Hay moa efa nisy fotoana nahavoa mafy ity feoko ity, satria tsy nampiasaiko loatra. Tsy dia nihira intsony aho. Dia teo vao tsaroako, fa hay moa tsy azo ny mandevin-talenta nomen’Andriamanitra ?», hoy i Fanja Andriamantena, tao anatin’ny pejy ifaneraserany amin’ny mpankafy ao anatin’ny tambajotran-tserasera Facebook. Mazava loatra ny dikany fa […]
Tontosa ny fanadinana : hamoaka mpampianatra fito ny Valiha Académie
Tontosa ny sabotsy 17 jona teo, teny amin’ny Lycée privé Daniel, Andravoahangy ambony, ny fanadinana ho an’ ireo mpianatra valiha eo anivon’ny Foibe fikarohana sy fampianarana Valiha Académie. Fantatra taorian’ity fitsapam-pahaizana ity fa ny mpiadina 7 mianadahy (6 lehilahy, iray vehivavy) no hivoaka ho mpampianatra amin’izy ireo. Anisan’ny nanadinana ny […]
Fisokafan’ny Rovan’i Madagasikara : maro sahady ireo nitsidika nandritra ny andro voalohany
Ankoatra ny maha andrin’ny tantaran’Antananarivo manokana sy i Madagasikara amin’ ny ankapobeny, toerana mahasarika ny vahiny sy ny tompon-tany koa ny Rova. Mitoetra ny maha fampahafantarana ny tantara azy. Tsindrindaona te hahita ny ao anatiny… Nirohotra maro ireo nanam-panirina ny hitsidika ny Rovan’i Madagasikara, omaly, andro voatondro isokafany voalohany ho […]
Rantenaina Falson : “Ilaina ny tanora sahy mametraka fanamby ho an’ny firenena”
Manoloana ny zava-misy iainan’ny firenena, ankehitriny, maro ny tanora miezaka mioitra amin’ny fiainana. Mitady ny fomba rehetra, mikiry mba hialana amin’ny krizy mianjady isan-tokantrano. Anisan’ireny ny filohan’ny Antoko politika, Vondrona Miaro ny Fitondrana (VMF) sady tale jeneralin’ny orinasa Ramanandraibe II. Tao anatin’ny vanim-potoanan’ny Covid-19 sy ny olana toekarena maneran-tany izy […]






