Sahirana ny Tam Anosibe vao nahazo ny tapakila, hiatrehany ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Energy Top 20. Fihaonana, notanterahina omaly alahady 18 jona, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Efa tany amin’ ny fanalavam-potoana “mort subite”, vao nandresy ny Mang’Arts Manjakaray, tamin’ny isa 29 no […]
Other News
Kitra – «Tournoi des 4 Nations»: resin’ny ekipa Réunionais ny Barea U23
Lavon’ny ekipa voafantin’i La Réunion, sokajy «sénior», tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ny Barea U23, nandritra ny « Tournoi des 4 nations ». Fihaonana, notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja Aimé Bergeal Mantes La Ville, Frantsa. Baolina tokana tafiditr’i Damien Ludovic, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Nosahiranin’ny Bareakely […]
Kitra- Zazavavy U15: tompondaka ny ekipan’ny CEG Nanisana
Nifarana afakomaly, ny fifaninanana an-tsekoly, taranja baolina kitra, sokajy zazavavy U15. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ ny CEG Nanisana. Nandresy ny ekipan’ny CEG Antanimbarinandriana, tamin’ny isa 2 no ho 0 izy ireo. Araka izany, laharana faharoa ny CEG Antanimbarinandriana, fahatelo ny kolejy Masina Misely Amparibe. Voafidy ho mpiandry tsatoby mendrika […]
Kitra – Fifanintsanana «Can 2024» : Voatazon’ny Barea ady sahala ny Black Stars Ghana
Nahavelombolo ny rehetra ny endri-dalaon’ny Barea de Madagascar nanoloana ny Black Stars Ghana, teo amin’ny andro fahadimy, hiadian-toerana ho an’ny “Can 2024”. Tsy navelan’ny Malagasy nikofoka mihitsy ry Ayew mirahalahy. Nisaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko ny Barea de Madagascar sy ny Black Stars Ghana, teo amin’ny andro fahadimy, […]
“The chosen” : voadika amin’ny teny malagasy
Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy, tetsy Andohatapenaka, teny amin’ny Canal olympia, ny sabotsy teo, ny horonantsary Amerikana: “The chosen”, izay nadika tamin’ny fiteny malagasy. Andian-tantara nalaina tao amin’ny baiboly, manasongadina ny fiainan’i Jesoa Kritsy nanomboka teo amin’ ny faha-28 taonany sy niarahany tamin’ny Apostoly 12 lahy. Handeha amin’ny fahitalavi-pirenena, manomboka […]






