“Milaza ny And. 2 amin’ ny didim-panjakana tamin’ ny 2022-667 fa anjaran’ny Ceni sy ny rantsamangaikany ny mamariparitra ny fomba hanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Nisy fanapahan-kevitra maromaro noraisin’ny Ceni manao an’ izay hoe fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izay.” Io ny fanazavan’ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray, manoloana ny […]
Other News
Antoko MMM : “Fitsinjaram-pahefana ihany…”
Nitohy tany Ihosy, Ihorombe indray ny fihaonan’ny mpitarika ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo tamin’ny vahoaka, ny sabotsy teo. Nihaino ny olana sy ny hetahetan’ny tany an-toerana ny tenany. Nambarany tamin’ izany fa fotokevitry ny antoko sady vahaolana amin’izany ny fitsinjaram-pahefana. “Ahazoan’ny eny ifotony ny fahefana sy mitantana ny hoavy […]
Filohan’ny FFKM, Andriamahazosoa Irako : “Henatra raha tsy mahita vahaolana ho antsika isika”
Nentin’ny FFKM am-bavaka tetsy amin’ny FLM 67ha, omaly, ny faha-63 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny fetin’ny Foloalindahy. Nohazavain’ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako tamin’izany ny dingana irosoana amin’ilay fihaonambem-paritra. “Mahamenatra raha tsy mahita vahaolana ho antsika isika. Natao hifampihainoana sy hiresahana ny fihaonambem-paritra tanterahan’ny fiangonana io”, hoy izy. Notsiahiviny fa natao hananganana […]
Minisitra Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana : « Tsy misy lalàna manakana ny Malagasy hanana zom-pirenena hafa »
Manolona ny resabe momba ny sata mifehy ny zom-pirenena (Code de la nationalité) malagasy, nanazava ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Nambarany fa ny didy hitsivolana (Ordonnace) laharana 60-064, nivoaka ny 22 jolay 1960, nasiam-panovana sy notovanana (amendé) no mamaritra izany, manomboka eo amin’ny andininy faha-9. Voafaritra ao ny […]
Misy fotsifotsy saina
63 taona no niverenan’ny Fahaleovantena. Hatramin’izao, misy hatrany ny miroaroa saina: mila manangan-tsaina ve, hono, ny tena sa tsia? Misy aza ny manao anditra na mifanditra amin’izany. Nahoana? Ny itsitokotoan’ny loha, samy manana ny heviny. Ny tanàna koa tsy ilaozan’adala? Na izany aza, tsotra ny resaka tsy azo ifanerena: izay […]






