Other News

Ilaina ny fandinihan-tena

Trangam-piarahamonina iray nanaitra tamin’ity herinandro ity no andeha horesahina. Miditra anatin’ny vanim-potoanan’ny fanadinana ny ankamaroan’ny sekoly, indrindra ny sekoly tsy miankina. Misy amin’ny mpianatra anefa no tsy afaka niatrika izany noho ny antony samihafa. Antony iray tena nanaitra no hasiana tsindrim-peo: ireo ankizy navoaka ny efitrano ka nalefa nody, satria […]

Andavamamba : jiolahy roa lavon’ny polisy

Nirefodrefotra ny basy tetsy Andavamamba, omaly hariva. Jiolahy roa mpanao fanafihana mitam-piadiana maty voatifitra ny SAG raha nikasa handositra. Mi­isa dimy ireo jiolahy nifanenjehana. Tratra ny telo ka lavo teo noho eo ny roa, araka ny nambaran’ireo nanatri-maso. Azo sambo-belona kosa ny iray. Tafa­poritsaka ireo namany. Ma­laza ratsy amin’ny fanafihana […]

Naman’i Yarisy… : maty voatifitra i Lex sy Manantany

Lavon’ny miaramilan’ny Base opérationnelle Avancée (BOA), Bravo, ao amin’ny fari-piarovana sy fandriampahalemana Ikopa (ZDS), afakomaly alina, ny jiolahy mpiray tarika amin’i Yarisy antsoina hoe i Lex sy i Manantany. Nandri­­tra ny fisafoana na­taon’ireo miaramila mpampandry tany no nahatrarana ireto dahalo mitam-piadiana mahery vaika ireto. Dahalo raindahiny ikoizana amin’ny asa fampihorohoroana sy famoretana ary […]

Amparihingidro: jiolahy nanafika trano fivarotana

Voasoroky ny polisy mi­aloha ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Antanimalandy, secteur 7, eo anelanelan’ny kaominina ambanivohitr’i Belobaka sy Amparihingi­dro, afakomaly alina tamin’ny 8 ora. Jiolahy telo nitondra basy vita tanana sy sabatra lavalela no nanatanteraka fanafihana tamina trano fi­varotana enta-madinika. Ni­kasa hiditra an-keriny handroba tao ry zalahy tamin’io fotoana io. […]