Zara fa nisy depiote nandray ny fahatongavan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta, omaly, teny Tsimbazaza. Nahemotra ny ady hevitra teo amin’ny roa tonta. Voatery nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka ny adihevitra momba ny tatitra nataon’ny governemanta, araka ny tapaky ny depiote, tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana. Nahanjahanjan’ireo solombavambahoaka, nandritra ny ora iray mahery, […]
Other News
Association Fitia : mpivady misandoka ny anaran’i Mialy Rajoelina
Naiditra am-ponja eny Antanimora ny lehilahy iray raha nomena fahafahana vonjimaika ny vadiny rehefa avy natolotra ny fampanoavana, afakomaly. Voarohirohy ho manao fisolokiana ireo sahirana ara-pivelomana izy mivady. Misandoka amin’ny anaran’ny “Association Fitia” sy ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Mialy Rajoelina, izy ireo. Ny zandary teo anivon’ny sampana fikarohana heloka bevava […]
Bel’Air Talatamaty : lehilahy saika handefa vola sandoka tamina Cash-point
Noraisim-potsiny! Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty, afakomaly, ny jiolahy iray niaraka tamin’ny vola sandoka marobe saika halefa tamina Cash-point iray eo Bel’Air, Talatamaty. Tonga nampandre ny zandary ny olona iray mpanao Cash- point tamin’io fotoana io (tamin’ny 7 ora sy 30 mn), fa misy lehilahy iray saika […]
Fanafihana mitam-basy : jiolahy saika hitsoaka, maty voatifitry ny polisy
Lavon’ny balan’ny polisy tao Vohitrarivo Vangaindrano, omaly maraina tamin’ny 4 ora sy 30 mn, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Efa tratra izy, saingy nikasa hitsoaka tampoka ka voatifitra. Naharay fitoriana ny polisy ao Vangaindrano fa nisy jiolahy nanafika tao amina tokantrano iray ao Antsorolala, fokontany Sahavoangy, kaominina ambanivohitra Fonilaza, […]
Andohan’Ilakaka : mpanao vato voatifitra, nifandona ny zandary sy ny fokonolona
Nandrasan’ny olon-dratsy kendry tohina teo akaikin’ny trano fonenany. Maty voatifitra ny lehilahy iray, mpanao vato tao Andohan’Ilakaka, afakomaly hariva. “Avy nanao afera toy ny fanaony izy ny hariva ka nikasa hody. Efa nisy niandry tsy lavitra ny trano fonenany anefa izy ka notifirin’ny jiolahy avy hatrany”, hoy ny zandary. Vao […]






