Other News

Fananantany : karatany 14.400 hozaraina ao Vatomandry

Mbola mitohy amin’ny distrika sy faritra maro manerana ny Nosy ny fizarana karatany. Omaly, nitohy tao amin’ny distrikan’i Vato­mandry ny hetsika. Nosan­tarina tao amin’ny kaominina Sahamatevina ny hetsika. Vokany, karatany 20 amin’ireo 606 anjarany no natolotra. Fantatra tamin’izay fa 14.400 ireo karatany hozaraina ao amin’ny distrika’i Vatomandry, raha 65.000 ny […]

ENAM : nahazo fampitaovana mitentina 25.000 dolara

Notokanana omaly, ny sal­le d’informatique  eny amin’ny sekolim-pirenena ho an’ny fitantanan-draharaha eto Madagasikara na ny Ecole nationale de l’administration malgache (Enam), eny Androhibe. Ahitana fitaovana informatika maro ity toerana ity izay ahafa­han’ireo mpiofana manaraka antsakany sy andavany ary amin’ny fomba maoderna ny fiofanana. Hanatsarana iha­ny koa ny fikirakirana ny asam-panjakana, amin’ny […]

Fihariana : mahaliana ny tanora ny tetikasa “Titre vert”

Betsaka ireo tanora liana amin’ny fihariana, fa indrindra eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, ao amin’ny kaominina An­di­lanatoby, distrikan’Am­ba­tondrazaka. Nifarana afakomaly ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo mani­ry hisitraka ny tetikasa “Titre vert”, ao amin’ny faitra Alaotra Mangoro. Fan­tatra tamin’izay fa miisa 175 ireo maniry hisantatra sy hisitraka ny tetikasa […]

Lalam-pirenena fahadimy: kamiao mpitondra entana nihitsoka tao ambany tetezana

Anisan’ny mampihitsoka ny fandrosoana eto Madagasikara ny fahapotehan’ny lalam- pirenena. Afakomaly, kamiobe mpitatra entana nihitsoka teo amin’ny tetezana, lalam- pirenena fahadimy tapany voalohany. Potika ny lalam-pirenena fahadimy tapany voalohany, mampifandray an’i Toamasina sy Am­batohasina, mialoha ny hidirana an’Antaratasy, Pk 35. Fiarabe mpitatitra entam-barotra iray no nihitsoka teo amin’ny tetezam-by nandritra […]

Ankadifotsy: jiolahy tratra teo am-pamakiana lakozia

Tsy mifidy intsony ny jiolahy! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro, teny Anka­difotsy, omaly maraina tamin’ny 9 ora sy 30 mn, ny jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra miharo vaky trano izy. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, nihanika tambohon’olona iray eny […]