Noraisim-potsiny ny vehivavy iray mpivarotra zava-mahadomelina teny Tanjombato, afakomaly. Naharay fitarainana tamin’ny tsara sitrapo, nanao fanadihadiana ary nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny polisy. Tratra tao Ankady Tanjombato io vehivavy io. Natao ny fisavana, sarona tao aminy ny rongony 275 fonosana. Mahalafo 15 hatramin’ny 20 isan’andro izy, raha ny nambarany. […]
Other News
«Fiba World Cup U19»: hisy manam-pahaizana hitily mpilalao
Hiatrika ny lalao maneran-tany amin’ny taranja basikety “Fiba World Cup U-19”, izay hatao any Debrecen, ny 24 jona- 2 jolay ho avy izao, ny Ankoay lahy. Araka ny fanadihadiana natao, hisy mpitily matihanina “agents recruteurs” hijery amin’io fotoana io. Araka ny filazan’Andriantsarafara Lovasoa, kapitenin’ny Ankoay, fotoana fanararaotana hampisehoana ny talenta […]
Tenisy – “Billie Jean King Cup” : tsara fanombohana ny ekipa malagasy
Nahazo fahombiazana avy hatrany ny ekipam-pirenena malagasy. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1, ny ekipan’i Cameroun, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana “Billie Jean King Cup”, atao any Kigali, ny 5-10 jona izao. Marihina fa fifanintsanana isaky ny ekipa ny “Billie Jean King Cup”. Araka ny voka-dalao, ny alatsinainy […]
Kitra : hihaona amin’i La Réunion ny Barea U-23
Hifandona amin’i La Réunion, sokajy sénior, ny Barea de Madagascar U23, ny 17 jona ho avy izao, any Frantsa. Lalao ara-pirahalahiana natao hanomanan’i La Réunion, ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, ny 23 aogositra-3 septambra ho avy izao, izany. Ankoatra izay, hifandona amin’i Comores sy ny ekipan’i […]
Rugby – XXL Top 20: hivadika ho Top 12 amin’ny taona 2024
Miato aloha ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 20”. Efa fantatra avokoa ireo ekipa 16 hiatrika ny dingana ampahavalon-dalana. Mbola misy efatra mihintsana aorian’izay. Taorian’ny fahavitan’ ny fifanintsanana isam-bondrona, efa fantatra avokoa ireo fileovana 16 tafita amin’ny ampahavalon-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “XXL Top […]






