Other News

Fitsaram-bahoaka: Depiote iray voampanga!

Olona 47 tamin’ny 107 nosamborina no naiditra am-ponja vonjimaika noho ny fitsaram-bahoaka tao Lalazana Ambony. Tafiditra ho anisan’ny voampanga ny depiote iray. Niakatra teo amin’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao fa­motorana ny raharaha momba ny fitsaram-bahoaka tao Lalazana Ambony, afakomaly. Nitohy hatramin’ny omaly maraina be izany ka 47 tamin’ny olona […]

Mandritsara : vehivavy hita faty tao anaty rano

Natsingevan’ny rano ny fatim-behivavy iray tao Ma­rotandrano, distrikan’i Man­dritsara, omaly. Mpandalo maraina no nahita olona natsingevan’ny rano efa tsy misy aina intsony. Taitra, niantso vonjy tamin’ny ma­nodidina izy hijery ny zava-nisy. Vehivavy mponina anatin’io tanàna io ihany ity hita faty ity. Nikasa hamonjy alim-pandihizana, nivoaka ny trano izy ny alatsinainy […]

Tale nahafaty olona : mitaky fitsarana ara-drariny ny ao Antsohihy

Hotanterahina ny talata 13 jona izao any an-drenivohitry ny faritra Sofia, ny fitsarana ilay lozam-pifamoivoizana ni­tranga ny 20 novambra 2022, tany Ambendrana. Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana, nodomina fiaram-panjakana, nentina tale iray miasa any an-toerana. Nambaran’ireo fianakavian’ny maty fa manantena sy miandrandra fitsarana madio sy araka ny rariny ary mangarahara […]

Vono olona tetsy Ambatolampy Tsimahafotsy : voasambotra ilay jiolahy nahavanon-doza

Tra-tehaka, omaly, ny jiolahy namono nahafaty ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena misotro ronono, tao Ambatolampy Tsimahafotsy. Mpiambina taloha tao amin’io toerana namonoany ny tompon-trano io ihany izy. Sarona, omaly, tao Anta­netibe Anativolo, Anjo­zorobe, ny lehilahy iray nihazona ny moto halatra sy ny findain’ilay namoy ny ainy vokatry ny asan-jiolahy tetsy Ambatolampy […]