Other News

Radimbielson William : “Tsy midika Tetezamita ny fikaonandoham-pirenena “

“Tokony hisy ny fikaondoham-pirenena. Tsy midika izay hoe fitondrana Teteza­mita. Na eo aza ny fifidianana, tokony hisy hatrany ny fikaonandoham-pirenena”, hoy ny filohan’ny fikambanana Fitaizana vatana tomady (Fivato), Radimbielson William. Tsy mila iray volana ny fanatanterahana izany, fa herinandro handaminan-javatra raha manam-piniavana hanavotra ny firenena ny rehetra. Tokony hojerena ny […]

Raholinarivo Paolo: “Tsy azo ekena ny Tetezamita”

“Ny fifanarahana tokony hatao eto: tsy ekena intsony ny Tetezamita, na iza na iza mampiditra an’izay eto. Na eo amin’ny fitondrana io, na mpanohitra, na antoko tsotra, na firongon’antoko.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Sendikàn’ny admi­nisitratera sivily (Synad), Raholinarivo Paolo Solona­valona. Fanambarana nataony manoloana ny fivoizan’ ny sasany fidirana amin’ny […]

Tohan-kevitr’ireo antoko miisa 10 : “Ho arofanin’ny mpanao politika ny fitsipi-pitondran-tena”

Nampitovy tadin-dokanga tetsy Ankadifotsy, omaly, ireo antoko politika miisa 10, momba ilay satan’ny fitsipi-pitondran-tena niarahana amin’ny FES sy ny eo anivon’ny Vondrona eoropeanina (UE). Hiditra amin’ny dingana manaraka ny rehetra aorian’izao. “Ho arofanina eo amin’ny mpanao politika io sata io. Ambony kokoa ny toe-tsaina miaraka amin’izany noho ny lalàna. Fahatsapan-tena […]

Zandary tsy hita : vatana mangatsiaka sisa natsingevan’ny rano

Efatra andro aty aorian’ny nanjavonany, vatana mangatsiakan’ilay mpianatra zandary sisa hita, omaly. Tsy hita na­nomboka tamin’ny sabotsy izy. Nampiahiahy ireo mpiray andiany taminy ny tsy fahitana azy. “Nihazakazaka nanao ny 8 km mahazatra izy ireo ny marain’ny sabotsy teo”, hoy ny kaomandin’ny sekolin’ny zandarimaria. Rehefa nifarana ny hazakazaka, tsy tonga […]

Tan-dalàna

Tsy mbola mifarana akory ny fanadihadiana ataon’ny fitsarana momba ny raharaha vono olona tany Lalazana ambony ka nahafaty ireo mpanao aferam-bato telo mirahalahy, 10 andro lasa izay. Mbola hisy ny fisamborana andiany faharoa, hakana ireo nandray anjara kanefa nitsoaka rehefa nanao bemidina ny mpitandro filaminana. Miandry ny datin’andro handehanan’ny fitsarana […]