Other News

Vondrona Filatex : Fanampiana ho an’ny traboina any Toamasina

Tsy niandry ela, nitondra fanampiana ho an’ireo mponina traboina vokatry ny rivodoza Gezani farany teo, any Toamasina, ny vondrona orinasa Filatex. Tena nifantohana ny fanarenana ireo trano sekoly sy tobim-pahasalamana, ny famatsiana herinaratra mba hiverenan’ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina amin’ny laoniny. Nova­tsiana fitaovana sy kojakoja ara-pahasalamana ny hopitaly Be sy ny […]

Lutte – Mada 2025 : Nifantenana ireo ho ekipam-pirenena

Tontosa soa aman-tsara, tetsy amin’ny Kianja mita­fon’Ankorondrano, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena taranja tolona, sokajy U17, U20, U23 ary Senior, lahy sy vavy, nokarakarain’ny federasionina (FML). Nambaran-dRavelo­son Mamitiana, filohany fa manana lanjany izy ity. Voa­lohany, hifantenana ireo mpilalao handrafitra voalohany ny ekipam-pirenena hiatrika ny fiadiana ny […]

CHU Analakininina: Notoloran’Ambatovy gropy mpanome herinaratra

Nanohina ny antso na­taon’ny toeram-pitsaboana CHU Analakini­nina na Hôpitalibe ny orinasa Ambatovy, manoloana ny fa­hatapahan-jiro ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Nano­lotra gropy mamokatra herinaratra vaovao, manana tanjaka 17 KVA, hanamafisana ny fa­matsiana herinaratra, indrindra ho an’ny Sampan­draha­raha misahana ny fahasalaman’ny zaza ny orinasa, omaly. Manan-danja tokoa ny fanampiana toy izao, indrindra amin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Hanampy ireo mpiray tanindrazana niharam-boina any Toamasina i Joely Kely. Nambarany ombieny ombieny io nandritra ny fampisehoana inefatra nisesy nataony, ny faran’ny herinandro teo. Nohamafisiny sy ny Ivenco izay mpikarakara kosa izany omaly, tamin’ny alalan’ny fanambarana ofisialy. Hisy ampahany tamin’ny vola azo, ampiana amin’izay voaangona ny andron’ny fampisehoana. Nosafidiana fa […]

Misoko miadana sy mangina: Hamaivanin’ny Malagasy ny fahapotehana…

Manomboka misongadina eny amin’ny fiarahamonin’ny Malagasy ny fahasimbana sy ny fahapotehina. Maro loatra ireo tranga heveriny fa bitika ka nohamaivaniny. Ireny no misoko miadana ka manimba ny maha olona, mamotika ny soatoavina, sns. Mbola mahazo vahana eto Madagasikara, ohatra, ny fanomezana anarana vahiny ny zaza vao teraka. Ny fametrahana sy […]