Other News

TSELATRA

Nitokona sady nandoro kodiarana ny mpo­nina teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra mampi­tohy an’Ivato, omaly maraina. Mitaky ny handraisan’ny fitondram-panjakana andraikitra hisorohana ny loza isan’andro amin’iny lalana iny izy ireo. Lehilahy mpanao sinto-mahery nosamborin’ ny polisy teny Ambodin’Isotry, afakomaly. Kavina volamena teny an-tsofin’olona nandalo no nalain’io lehilahy io. Tratra taorian’ny fanenjehana azy […]

Tokantrano iray voatafika: Voaroba ny 12 tapitrisa Ar, olona roa naratra

Tsy mitsaha-mirongatra ny fanafihana tokantrano sy mpivarotra tato ho ato. Notafihin’ ny jiolahy indray ny tokantrano iray mpivarotra enta-madinika tany Atsimontsena, disitrikan’i Tsiroanimandidy, ny ‘ alakamisy hifoha omaly zoma 6 marsa 2026, tamin’ny 12 ora. Niditra an-keriny sy nandroba tao amin’io tsena io ireo jiolahy miisa telo. Nirongo fitaovam-piadiana toy […]

Ramonjavelo Valery: Naiditra vonjimaika am-ponja eny Avaradrano

Notazomina vonjimaika eny amin’ny fonjan’Avaradrano, Ambohidrabiby, afakomaly, ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro teo aloha, Ramonjavelo Valery. Taorian’ny nivoahan’ny didy fanapahana laharana 01-HCC/D2, tamin’ny 03 marsa 2026, izay navoakan’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly. Nohenoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) etsy 67 Ha, ny tenany ary […]