Araka izay efa nahafantaran’ny rehetra azy, hotanterahina rahampitso sabotsy, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy «Can 2023». Etsy an-kilany, misisika ny hanatontosa fifidianana ho filohan’ny federasiona ireo ligim-paritra manohitra an-dRakotomalala Marcel. Kandidà tokana no hofidina dia i Sambotody Dorien. […]
Other News
« LDC » – Man City 4-0 Real Madrid : tafakatra amin’ny famaranana ny Anglisy
Nandihizan’ny Manchester City, Anglisy na ny “Skyblues”, ny kianjan’izy ireo, ny alarobia lasa teo. Izy ireo no tafita hiatrika ny lalao famaranana, fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2023” (LDC), taranja baolina kitra. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa mavesatra, 4 no ho 0, ny Real Madrid, Espaniola, teo amin’ny […]
Can Rugby 2023 : hanomboka rahampitso ny fifaninanana
Hotanterahina manomboka rahampitso 20 ary haharitra hatramin’ny 28 mey ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2023), ho an’ny sokajy vehivavy amin’ny rugby lalaovina olona 15. Efa vonona tanteraka ny Makis Ladies hiatrika ny fifaninanana. Marihina fa firenena efatra no hiady lohany […]
JIOI 2023-Fivorian’ny CIJ : Kihon-dalana farany ho an’i Madagasikara
Nosokafana ofisialy, omaly, teny amin’ny Novotel Ivandry, ny fivorian’ny Vaomiera iraisam-pirenena misahana ny lalaon’ny Nosy (CIJ). Kihon-dalana farany ho an’i Madagasikara. Hiatrika adina farany i Madagasikara, amin’ny hahafahana na tsia, handray ny andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy. Tazana nanokatra ny fivoriana teny Ivandry, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa […]
Fiaraha-miasa: arovan’ny COI ny sisin-dranomasina
“Tsy maintsy miaro ny morontsiraka isika, fa amin’ireny faritra ireny no ivoahan’ny harentsika ka tsy maintsy atambatra ny hery. Maro ireo efa voasazy noho ny fandikan-dalàna”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, i Yvette Sylla, nanazava ny amin’ny fivoriana faha-37 nataon’ny filankevitry ny minisitra eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianiana (COI), […]






