Tsy fomba ny miresaka finoana na antokom-pinoana. Saropady, tsy fiady hevitra ny tena marina. Anisan’ny zo fototra, voarakitra anatin’ny fanambaran’ny Firenena Mikambana momba ny zon’olombelona rahateo ny fahafahana manaraka izay finoana tiany ho arahana. Midika izany fa zava-dehibe, masina ny resa-pivavahana sy finoana. Firenena mandala fatratra sy saropiaro amin’ny maha […]
Other News
Fanararaotana mpivavaka: Pasitera efatra voasambotra
Nanao be midina tamina trano fivavahana iray ny polisim-pirenena, omaly. Pasitera sady mpaminany efatra voasambotra. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny olona efatra misora-tena ho Pasitera tao amina fiangonana tsy miankina iray, ao Fianarantsoa Renivohitra, omaly. Nisintona lakolosy teny anivon’ny fampanoavana ny vehivavy telo mpino eo amin’ilay fiangonana. Taorian’ny fitorohana nalefan’izy ireo, […]
Ambohitrimanjaka : rotiky ny balan’ny zandary i Mainty
Maty voatifitry ny zandary, ny alarobia alina teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana sy vaky trano. Nahazo antso fanairana ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohitrimanjaka mpanao fisafoana amin’ny alina fa misy andian’olona mampiahiahy mihaodihaody eny amin’ny fokontany Miadana, Ambohitrimanjaka. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary ka tratra teo am-pianihana […]
Andilamena : dahalo mpaka an-keriny sady mpamatsy basy roa lahy lavo
Nokarohina hatry ny ela! Maty voatifitra ireo dahalo roa lahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny sy famatsiana fitaovam-piadiana tao Ambatomalama, fokontany sy kaominina ambanivohitra Bemaitso, distrikan’Andilamena, ny 15 mey teo. Naharay loharanom-baovao ny zandary fa mihaodihaody ao amin’ io tanàna io izy roa lahy dahalo mpangalatra omby sy mpamatsy fitaovam-piadiana ireo. […]
1 hetsy Ar ny fonosana iray…: mpivady mpamatsy Rôrô tratra
Hatolotra ny fampanoavana anio ireto mpivady mpanao trafikana héroïne na “Rôrô” ireto. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) no nahasambotra azy ireo teny Antohomadinika, afakomaly. Voarohirohy ho tompon’antoka amin’ny fanapariahana zava-mahadomelina mahery vaika amin’iny faritra 67 ha sy Antohomadinika iny izy mivady ireto. Mitohy hatrany ny famongorana […]






