“Tsy manofinofy na mieritreritra izany seza izany ny filohan’ny Antenimierandoholona, fa miasa aloha no ataony. Ho an’izay rehetra mitady ny toerako, zony tanteraka izany. Aleo izy hanao izay afany any, fa ny miasa ihany aloha no fantatro.” Io no nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, teny Anosikely, afakomaly, manoloana ny siosion-dresaka […]
Other News
Faritra Diana : 1 400 000 mahery ny tsy anaty lisitra
Maherin’ny 140 000 ireo tsy mbola tafiditra anaty lisitry ny mpifidy amin’izao fanavaozana tanteraka ataon’ny Ceni izao, any amin’ny faritra Diana. Nambaran’ny filohan’ity rafitra misahana ny fikarakarana ny fifidianana ity, Andrianarisedo Dama Arsène fa tsy maintsy hanaovana ezaka ny fampidirana azy ireo anaty lisitra. “Manan-jo hifidy izy ireo ka anentanana […]
Fiarovana sy fandriampahalemana: vonona ho amin’ny fiaraha-miasa i Finlande
Nanao ranolava ireo vahiny. Telo sosona be izao ireo masoivoho noraisin’ny filohan’ny Repoblika teny Iavoloha, ny 17 mey teo. Nanamafy ny fiaraha-miasany amintsika avokoa izy ireo. Anisan’izany ny masoivoho vaovaon’i Finlande, monina any Maputo, i Anna-Kaisa Heikkinen, nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin’ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’ny […]
Fifidianana filoham-pirenena : hentitra ny masontsivan’ny eveka amin’ireo ho kandidà
Namoaka hafatra ny eo anivon’ny Fivondronamben’ ny eveka (Fem), omaly. Voaresaka ny hiatrehana ny fifidianana sy ny fahasahiranam-bahoaka. Eo koa ny ezaky ny fitondrana ary ny tsindrom-paingotra amin’ny fampanantenana tsy tanteraka. Nampahatsiahy ny toetra tokony hananan’ny kandidà hofidiana ny eo anivon’ny Fem amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. Hentitra ny masontsivana […]
Mila fanasitranana !
Tsy fomba ny miresaka finoana na antokom-pinoana. Saropady, tsy fiady hevitra ny tena marina. Anisan’ny zo fototra, voarakitra anatin’ny fanambaran’ny Firenena Mikambana momba ny zon’olombelona rahateo ny fahafahana manaraka izay finoana tiany ho arahana. Midika izany fa zava-dehibe, masina ny resa-pivavahana sy finoana. Firenena mandala fatratra sy saropiaro amin’ny maha […]






