Matetika, arahina antsan-tononkalo na tsangan-tononkalo na vela-kevitra hatrany ny famoahana boky tononkalo. Amin’ity indray mitoraka ity, novain’ny Faribolana Sandratra izany ka natao teatra poetika, hotanterahana ao amin’ny Ivokolo Analakely, ny 20 mey amin’ny 3 ora tolakandro, raha ny fanazavan-dRatsifa. « Mampangidihidy-Z », tantara an-tsehatra maoderina. Tononkalo maromaro narafitra ho lasa tantara iray […]
Other News
Amboara eran-tany « Slam-Poèsie » : hiatrika ny manasa-dalana anio i Hichim
Tafita amin’ny dingan’ny manasa-dalana, i Hichim, misolo tena ny Malagasy, ao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny “Slam-Poèsie”, atao any Belleville, Frantsa. Miisa 12 izy ireo no tafita hiatrika izany dingana izany. Ny dingan’ny manasa-dalana izay tanterahina anio, amin’ny 8 ora sy 30 minitra, ora eto Madagasikara. Na nisy […]
« Festival Zetra »: hanehoana ny mampiavaka ny faritra Alaotra
Hotanterahina any Ambatondrazaka, ny 24 sy 25 jona 2023, ny “Festival Zetra” andiany voalohany. Hetsika eo amin’ny lafiny fizahantany sy kolontsaina hanehoana ny mampiavaka ny foko Sihanaka sy ny faritra Alaotra Mangoro. Ny fikambanana Zetra Festival miaraka amin’ny mpanohana sy mpiara-miombon’antoka samihafa no mikarakaraka ny hetsika. Diabe, fampirantiana, fampisehoana, fitsidihana […]
Vokatry ny tsy fahalalana tantara : manomboka mahazo vahana ny tsy fifanajana
Iray ihany ny Malagasy ! Miezaka ny mivoy io fehezan-teny io, ankehitriny, ny ankamaroan’ireo manam-panahy handalana. Manezaka ny nandrava ny firaisan-kina ny vahiny mpanjakazaka an-tanin’olona fa tsy nahatonga hatramin’ny farany. Nafafy ny « zarazarao hanjakana ». Naparitaka ny « fikitra mampiady angely » isan-karazany fa mbola indreo eo ihany ny fihavanana maha Malagasy… Vanim-potoana lehibe […]
Olan’ny rugby : Kandidà tokana hofidina i Dorien
Araka izay efa nahafantaran’ny rehetra azy, hotanterahina rahampitso sabotsy, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy «Can 2023». Etsy an-kilany, misisika ny hanatontosa fifidianana ho filohan’ny federasiona ireo ligim-paritra manohitra an-dRakotomalala Marcel. Kandidà tokana no hofidina dia i Sambotody Dorien. […]






